Hijery ny anatiny

Havia: Rahalahy Aleksandr Serebryakov sy Irina vadiny. Havanana: Rahalahy Yuriy Temirbulatov

17 AOGOSITRA 2022
ROSIA

Mampahery ny Fianakaviany Izy Ireo na dia Miatrika Fitsapana Aza

Mampahery ny Fianakaviany Izy Ireo na dia Miatrika Fitsapana Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Golovinskiy any Moscou ny Rahalahy Aleksandr Serebryakov sy Yuriy Temirbulatov, tamin’ny 8 Aogositra 2022. Samy nomena sazy mihantona enin-taona izy mirahalahy ireo, ary tonga dia navoaka avy tany amin’ny toerana nitazonana azy ireo. Tsy miditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Zava-nitranga

  1. 10 Febroary 2021

    Nanao bemidina tany amin’ny trano 16 ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fiarovam-pirenena ary ny FSB. Nisy tatitra nilaza fa nisy rahalahy roa novonovonoina. Nisy 18 kosa nentin’izy ireo halaina am-bavany. Notazonin’izy ireo i Aleksandr sy Yuriy

  2. 12 Febroary 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika amin’ny fomba ofisialy izy roa lahy

  3. 28 Oktobra 2021

    Nampidirina hopitaly haingana i Yuriy ary nodidiana satria nisy fivontosana

  4. 4 Novambra 2021

    Nivoaka ny hopitaly i Yuriy ary naverina notanana am-ponja vonjimaika

  5. 7 Febroary 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ireo voampanga

Tena modely i Aleksandr sy Yuriy satria manampy ny fianakaviany ho akaiky an’i Jehovah foana, na dia nosarahina tamin’ny fianakaviany aza. Enga anie i Jehovah hamaly soa azy ireo sy ny fianakaviany foana satria miaritra ry zareo sady tsy mivadika.​—1 Timoty 5:8.

a b Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Serebryakov sy Temirbulatov rehefa nomanina ity lahatsoratra ity, dia tsy nisy fahafahana hiresaka tamin’izy ireo.