Hijery ny anatiny

Rahalahy Ivan Shulyuk

16 FEBROARY 2022
ROSIA

Manam-paharetana ny Rahalahy Ivan Shulyuk dia Mahavita Miaritra Fanenjehana

Manam-paharetana ny Rahalahy Ivan Shulyuk dia Mahavita Miaritra Fanenjehana

Kely sisa dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Ivan Shulyuk ny fitsaran’i Nazarovo, ao amin’ny faritanin’i Krasnoïarsk. Mbola tsy fantatra ny sazy angatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.

Zava-nitranga

  1. 18 Jona 2020

    Nisy polisy mitam-piadiana nanao savahao ny tranon-dry Shulyuk ary nisambotra an’i Ivan. Notazonina tao amin’ny toerana iray izy

  2. 19 Jona 2020

    Namoaka didy ny fitsarana hoe hampidirina am-ponja vonjimaika i Ivan

  3. 9 Jolay 2020

    Nafahana avy any am-ponja. Tsy nahazo niresaka tamin’ny olona any ivelan’ny tranony, raha tsy hoe nahazo alalana. Lasa tsy afaka niasa, satria tsy nahazo nivoaka ny tranony nanomboka tamin’ny 6:00 maraina ka hatramin’ny 11:00 alina

  4. 14 Aogositra 2020

    Notadiavin’ny mpanao famotorana hitarina ny fameperana ampiharina aminy. Tsy nekena anefa ilay izy satria tsara laza i Ivan. Nesorina ny ankamaroan’ny fameperana nampiharina taminy

  5. 17 Aogositra 2020

    Tsy nahazo nanao dia lavitra izy

  6. 15 Septambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Misaotra an’i Jehovah isika satria hainy “ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo azy.”​—2 Petera 2:9.