Hijery ny anatiny

Lapan’i Hofburg any Vienne, Aotrisy. Tao no niresaka momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Filan-kevitra Maharitry ny Fikambanana Misahana ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa Eoropeanina (OSCE), tamin’ny 12 Martsa 2020

1 MEY 2020
ROSIA

Manameloka ny Fanenjehana Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Firenena Eoropeanina

Manameloka ny Fanenjehana Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Firenena Eoropeanina

Firenena eoropeanina 30 mahery no nanameloka ny fanenjehana sy fampijaliana ny rahalahintsika any Rosia, nandritra ny fivorian’ny Fikambanana Misahana ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa Eoropeanina (OSCE), tamin’ny 12 Martsa 2020. Anisan’ny tanjon’ny OSCE ny hiaro ny zon’olombelona.

Izao no fanambarana iombonana nataon’ny firenena 27 anisan’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny firenena 6 hafa, teo anatrehan’ny Filan-kevitra Maharitry ny OSCE: “Mbola manahy mafy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Vondrona Eoropeanina, satria mbola enjehina tsy misy farany ny Vavolombelona any, izany hoe anaovana bemidina, gadraina tsy ara-drariny, ampangaina ho mpanao heloka bevava, ary sazina higadra hatramin’ny fito taona. Manahy mafy izahay satria nisy tatitra voarainay vao haingana hoe misy Vavolombelon’i Jehovah ampijalijalin’ny mpiambina fonja na ny polisy, alohan’ny hanagadrana azy na rehefa any am-ponja.”

Izao no nolazain’i Neil Bush, Ambasadaoron’i Royaume-Uni ao amin’ny OSCE, tamin’izy nikabary teo anatrehan’ilay Filan-kevitra: “Tsy nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony any Rosia, tamin’ny Jolay 2017, fa nanamafy ny didim-pitsarana teo aloha hoe ‘mampidi-doza’ izy ireo. Lasa lazaina fa mpanao heloka bevava àry ireo Rosianina 175 000, izay mpivavaka tia fihavanana. Tsy voahaja koa ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana, izay voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenan’i Rosia sy ny lalàna maro ato amin’ny OSCE.” Hoy ihany izy: “Taorian’iny didim-pitsarana iny, dia nihabetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina sy nampangaina ho mpanao heloka bevava ary niakatra fitsarana, manerana an’i Rosia. Manahy mafy hoatran’ny OSCE koa izahay, amin’izao fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah izao.”

Anisan’ny noresahina tao amin’io fivoriana io ilay fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah dimy tamin’ny 6 Febroary 2020. Novonovonoin’ny mpiambina fonja tao amin’ny fonja iray any Rosia ny Rahalahy Aleksey Budenchuk, Gennadiy German, Roman Gridasov, Feliks Makhammadiyev, ary Aleksey Miretskiy. Izao no voalazan’ny tatitry ny UE: “Samy naratra mafy izy ireo ary tsy maintsy nampidirina hopitaly ny iray [Feliks Makhammadiyev] tamin’izy ireo. Voalaza koa hoe nampijalijalina i Vadim Kutsenko, tamin’ny 10 Febroary 2020, talohan’ny nanagadrana azy. Nilaza izy hoe imbetsaka ny polisy no nikapoka sy nanao izay hahasempotra azy ary nandoro azy tamin’ny herinaratra, mba hanerena azy hanome fanazavana momba ny Vavolombelon’i Jehovah hafa.”

Nilaza ny Delegasionan’ny UE fa anisan’ny mahatsiravina indrindra amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny maha olona ny fampijalijaliana. Hoy io Delegasiona io: “Mandika ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ny fampijaliana, indrindra fa ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika, ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ary ny Fifanarahana Manohitra ny Fampijaliana sy ny Sazy na Fanao Hafa Maneho Habibiana na Tsy Manaja ny Maha Olombelona. Nanaiky an’ireo fifanarahana rehetra ireo i Rosia.”

Nilaza koa ireo manam-pahefana eoropeanina ireo fa efa nanome toky an’ilay Filan-kevitra Maharitra ny Federasionan’i Rosia hoe afaka manaraka malalaka tsara ny fivavahany ny rahalahy sy anabavintsika. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa izao atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia izao.

Hoy ny Delegasionan’ny UE: “Noraran’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny asan’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana ara-dalàna hafa rehetra mifandray aminy, tamin’ny 20 Aprily 2017, satria hoe ‘mampidi-doza.’ Imbetsaka isika, taorian’izay, no nandre ny Delegasiona Rosianina nanao fanambarana teto anatrehan’ny Filan-kevitra Maharitra hoe afaka manaraka malalaka tsara ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah sady mbola ho afaka hanao izany foana, ary tsy misy manakantsakana ny fahalalahana ara-pivavahana. Mbola maharay tatitra foana anefa isika hoe misy Vavolombelon’i Jehovah anaovana bemidina, gadraina tsy ara-drariny, na ampangaina ho mpanao heloka bevava.”

Nilaza ny manam-pahefana ao amin’ny UE hoe “hatramin’ny nanakatonana ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, dia trano 869 an’ny Vavolombelona no natao savahao, olona 26 no notanana am-ponja vonjimaika, 23 no ambenana ao an-tranony, 316 no voampanga, ary 29 no efa voaheloka, araka ny tatitra voaray.”

Hoy ny Ambasadaoro Bush: “Hita amin’ireo tarehimarika eo ambony ireo hoe raha vao manaraka ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mety hatao savahao ny tranony, hotanana am-ponja vonjimaika izy, hampangaina ho mpanao heloka bevava, na hogadraina. Hoatran’ny hoe efa maty paika mihitsy ny fomba hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa jerena ny habetsahan’ny bemidina sy ny fomba hanaovana azy, anisan’izany ny isan’ireo trano anaovana bemidina ao amin’ny tanàna iray ao anatin’ny iray andro.”

Manameloka ny fampijaliana ny rahalahintsika any Rosia koa ny manam-pahaizana momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Izao, ohatra, no nolazain’ny Pr. Gudrun Kugler, mpahay lalàna aotrisianina, mpanao politika, ary teolojianina katolika, momba ny fanambaran’ny UE: “Lasa nampalahelo be ny zava-misy hatramin’ny nandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia, tamin’ny Aprily 2017. ... Ilay lalàna iadiana amin’ny fikambanana mampidi-doza foana no ampiasaina mba hanamelohana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, nefa efa kianin’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona io lalàna io hoe ‘tsy dia mazava sady malalaka loatra.’ Raha vao fantatra fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray ka manao zavatra mifandray amin’ny fivavahany ao an-tranony, dia efa ampiharin’ny manam-pahefana aminy ilay lalàna iadiana amin’ny fikambanana mampidi-doza mba hanagadrana azy. ... Mila atsahatra ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahana madinika hafa any Rosia.”

Nilaza ny Delegasionan’ny UE hoe efa nampanantena i Rosia sy ny firenena hafa anisan’ny OSCE fa “hanao izay azony atao mba hanakanana ny olona tsy hampijaly olon-kafa, hitsara an’izay nanao an’izany, ary hamantatra hoe iza no niharan’ilay fampijaliana mba homena onitra araka ny tokony ho izy. Manao antso avo amin’ny Federasionan’i Rosia àry izahay mba hanadihady haingana sy hanadihady tsara ny tatitra rehetra momba ny fampijaliana. Ho azo antoka, amin’izay, hoe hotsaraina ara-drariny izay tompon’antoka na niray tsikombakomba tamin’izany. ... Manao antso avo amin’ny manam-pahefana izahay mba hanafoana ny fiampangana rehetra natao tamin’ny olona nampangaina tsy ara-drariny na nogadraina tsy ara-drariny satria fotsiny hoe mampiasa ny zony hanaraka fivavahana izy. Manao antso avo amin’ny Federasionan’i Rosia izahay mba hitana ny teniny teo anatrehan’ny firenen-kafa hoe hanaja ny zon’olombelona, sy hanaja ny fahalalahana haneho hevitra, hivondrona, hivory am-pilaminana, hanana fivavahana na finoana, ary koa hanaja ny zon’ny olona vitsy an’isa sy hanao fitsarana ara-drariny.”

Tsy haintsika hoe hanaraka sa tsy hanaraka an’izany antso avo ataon’ny firenena maro izany i Rosia ary hanaja ny fahalalahana ara-pivavahana. Haintsika kosa hoe hampian’i Jehovah foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia ka hahavita hiaritra sy hanana herim-po, mandra-panjakan’ny rariny.—Salamo 10:18.