Hijery ny anatiny

Rahalahy Vitaliy Omelchenko

5 OKTOBRA 2021
ROSIA

Manampy An’i Vitaliy Omelchenko Hiatrika Fanenjehana ny Torohevitra Tsara Azony

Manampy An’i Vitaliy Omelchenko Hiatrika Fanenjehana ny Torohevitra Tsara Azony

Zava-nitranga

  1. Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Mourmansk dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Vitaliy Omelchenko. a Mbola tsy fantatra ny sazy angatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy

  2. 29 Janoary 2021

    Nakarina fitsarana ny raharaha momba an’i Vitaliy

  3. 20 Janoary 2020

    Nosamborin’ny polisy mba hatao famotorana. Notazonina roa andro, izay vao nafahana. Tsy navela hiresaka amin’ireo olona tafiditra amin’ilay raharaha sady tsy nahazo nampiasa Internet

  4. 23 Desambra 2019

    Niampanga an’i Vitaliy ny Komity Mpanao Famotorana ao Amin’ny Federasionan’i Rosia, any amin’ny Faritanin’i Mourmansk. Nolazaina fa nanao heloka bevava izy satria nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tranony

Ilay voampanga

Mandray soa be dia be avy amin’ny toro lalana sy ny fampaherezana azony avy ao amin’ny Soratra Masina i Vitaliy, ary tena mampahery antsika ny modely tsara omeny.​—Romanina 15:4.

a Matetika no tsy fantatra mialoha ny daty hivoahan’ny didim-pitsarana.