Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Sobyanin, Vladimir Timoshkin, ary Vladimir Poltoradnev

12 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

“Manampy Foana i Jehovah”

“Manampy Foana i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaran’i Solikamsk any amin’ny Faritanin’i Perm ny Rahalahy Vladimir Poltoradnev, Aleksandr Sobyanin, ary Vladimir Timoshkin. Nasaina nandoa lamandy 638 000 roubles (29 862 800 Ariary eo ho eo), 494 000 roubles (23 122 000 Ariary eo ho eo), ary 512 000 roubles (23 966 800 Ariary eo ho eo) avy ry zareo. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Ireo voampanga

Azontsika antoka fa ho tsapan’izay rehetra matoky an’i Jehovah foana hoe tena tia an-dry zareo izy sady tsy mivadika aminy.​—Salamo 13:5, 6.

Zava-nitranga

  1. 28 Jolay 2020

    Nosavana ny tranon-dry zareo. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy telo mirahalahy

  2. 29 Jolay 2020

    Nafahana i Vladimir Timoshkin dia lasa nambenana tao an-tranony

  3. 30 Jolay 2020

    Nafahana i Aleksandr dia tsy navela hiala lavitra ny toerana misy azy

  4. 31 Jolay 2020

    Nafahana i Vladimir Poltoradnev dia lasa nambenana tao an-tranony

  5. 24 Septambra 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Vladimir Poltoradnev kanefa tsy navela hiala lavitra ny toerana misy azy

  6. 26 Oktobra 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Vladimir Timoshkin kanefa tsy navela hiala lavitra ny toerana misy azy

  7. 16 Mey 2023

    Nanomboka ny fitsarana iampangana an-dry zareo ho mpanao heloka bevava

a Tsy nisy resadresaka nifanaovana tamin’ny Rahalahy Vladimir Timoshkin.