Hijery ny anatiny

Ambony, avy any ankavia miankavanana: Nina Astvatsaturova sy Yelena Barmakina ary Ludviga Katanaeva

Ambany, avy any ankavia miankavanana: Igor Lonchakov, Yuriy Redozubov, Yekaterina Treguba, ary Yelena Tsorn

25 JOLAY 2023
ROSIA

Manantanjaka ny Vavolombelona any Vladivostok ny Vavaka sy ny Toe-tsaina Tsara

Manantanjaka ny Vavolombelona any Vladivostok ny Vavaka sy ny Toe-tsaina Tsara

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Pervorechensky any Vladivostok dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Ranabavy Nina Astvatsaturova, Yelena Barmakina, Ludviga Katanaeva, Yekaterina Treguba, ary Yelena Tsorn, sy mahakasika ny Rahalahy Igor Lonchakov sy Yuriy Redozubov. Tsy mbola nilaza ny sazy homena azy ireo ny mpampanoa lalàna.

Ireo voampanga

Tena mampionona antsika ny mahafantatra hoe mitahy sy mikarakara ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah, ka ‘ataony manodidina azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahany.’​—Salamo 5:12.

Zava-nitranga

  1. 6 Aogositra 2019

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Yelena Barmakina

  2. 8 Jona 2020

    Nosokafana ny raharaham-pitsarana iampangana an’i Nina sy Ludviga ary Yelena Tsorn ho mpanao heloka bevava

  3. 7 Jona 2020

    Nosokafana ny raharaham-pitsarana iampangana an’i Yelena Barmakina ho mpanao heloka bevava

  4. 9 Jolay 2020

    Nosavana ny tranon’i Nina, Ludviga, Yelena Tsorn, ary Yuriy. Nentina hatao famotorana i Yuriy. Tsy navela hanao dia lavitra kosa i Nina sy Ludviga ary Yelena Tsorn

  5. 4 Septambra 2020

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Igor

  6. 8 Septambra 2020

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Yekaterina

  7. 29 Septambra 2020

    Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ny raharaha mahakasika an’i Yelena Barmakina satria tsy ampy ny porofo hoe nanao zavatra mampidi-doza izy

  8. 11 Aogositra 2021

    Voampanga ho mpanao heloka bevava i Yuriy. Naverina hatramin’ny voalohany ny raharaha mahakasika an’i Yelena Barmakina, dia natambatra ho lasa iray daholo ny raharaha mahakasika an-dry zareo

  9. 28 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana

a b Tsy nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Ranabavy Astvatsaturova sy Katanaeva.