Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Vladimir Alushkin, talohan’ny nisamborana sy nanagadrana azy

13 NOVAMBRA 2019
ROSIA

Mangataka An’i Rosia mba Hanafaka ny Rahalahy Alushkin ny ONU

Mangataka An’i Rosia mba Hanafaka ny Rahalahy Alushkin ny ONU

Nosamborin’i Rosia sy nogadrainy tsy ara-drariny ny Rahalahy Vladimir Alushkin. Nanao tatitra momba an’izany ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny (WGAD) ao amin’ny Firenena Mikambana (ONU), ary misy 12 pejy ilay izy. Nanameloka an’i Rosia ilay tatitra ary nangataka azy mba hanafaka ny Rahalahy Alushkin sy hanome onitra azy satria voahitsakitsaka ny zony.

Tamin’ny 15 Jolay 2018 no nosamborina ny Rahalahy Alushkin. Niditra an-keriny tao an-tranony ny polisy maromaro nisaron-tava sy nitam-basy, tamin’izay. Efa ho adiny efatra ny polisy no nanao savahao ny tranony. Nalain’izy ireo daholo na finday na fitaovana elektronika na Baiboly na boky. Nentin’izy ireo avy eo ny Rahalahy Alushkin mba halaina am-bavany.

Ny Rahalahy Vladimir Alushkin tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Penza, tamin’ny Janoary 2019

Nohazonin’ny polisy tao amin’ny efitra iray nandritra ny roa andro ny Rahalahy Alushkin, ary namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Penza avy eo hoe afindra toerana izy mba hotanana am-ponja vonjimaika mandritra ny roa volana. Nohalavain’ny fitsarana indroa ny fitanana azy any am-ponja, taorian’izay. Ambenana ao an-tranony izy izao rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny enim-bolana latsaka kely.

Nitaraina tany amin’ny WGAD ny Rahalahy Alushkin satria te hafahana madiodio. Manam-pahaizana vitsivitsy momba ny zon’olombelona no ao amin’ny WGAD ary ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU no manendry azy ireo. Karakarain’ny WGAD ny fitarainana avy amin’ny olona mahatsapa fa tsy ara-dalàna ny didy avoakan’ny fitsarana hoe ambenana ao an-tranony izy, na tanana am-ponja vonjimaika, na gadraina. Karakarainy koa ny fitarainan’ny olona mahatsapa hoe tsy ara-dalàna ny fihazonan’ny polisy azy.

Nodinihin’ny WGAD tamin’ny an-tsipiriany ny fiampangan’i Rosia an’ny Rahalahy Alushkin ho manao zavatra mampidi-doza. Izao no nomarihiny: “Nanao dinidinika momba ny fivavahana fotsiny Atoa Alushkin. Hitanay hoe nampihariny fotsiny ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana araka ny andininy faha-18 ao amin’ny Fifanarahana [Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika, ary niditra tamin’io fifanarahana io koa i Rosia].” Izany no antony ilazan’izy ireo hoe “tian’ny WGAD hohamafisina fa tsy tokony ho nosamborina na notanana am-ponja vonjimaika Atoa Alushkin ary tsy tokony hiakatra fitsarana.” Nangataka an’i Rosia koa ny WGAD mba “hampitsahatra avy hatrany ny tsy rariny atao amin’Atoa Alushkin.” Nohamafisiny koa hoe tokony hafahana tsy misy hataka andro Atoa Alushkin satria izay no fomba tsara indrindra hampitsaharana ny tsy rariny atao aminy.

Miaiky ny WGAD fa tsy ny Rahalahy Alushkin irery no mijaly tsy ara-drariny any Rosia. “Mihabetsaka foana ny Vavolombelon’i Jehovah samborina sy gadraina ary ampangaina hoe manao heloka bevava, ao amin’ny Federasionan’i Rosia, nefa mampiasa ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana fotsiny izy ireo.” Arovan’ny lalàna iraisam-pirenena izany zo izany. Te hanameloka ny fanenjehana ny mpiara-manompo amintsika rehetra any Rosia ny WGAD. Nolazainy mazava tsara àry hoe rehefa namoaka ny heviny izy ireo dia tsy mihatra amin’ny Rahalahy Alushkin fotsiny ilay izy fa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra “miaina zavatra mitovitovy amin’ny an’Atoa Alushkin.”

Mbola tsy narahin’i Rosia ny tenin’ny WGAD. Vao mainka aza nampakarin’ny manam-pahefana ao Penza any amin’ny fitsarana ilay raharaha mahakasika ny Rahalahy Alushkin, tamin’ny Aogositra 2019. Hatao amin’ny 15 sy 19 ary 22 Novambra 2019 ilay fitsarana.

Manantena isika hoe hodinihin’ny fitsarana rosianina ny tenin’ny WGAD rehefa hamoaka ny didim-pitsarana farany momba ny Rahalahy Alushkin izy ireo. Mandra-pahatongan’izay dia matoky tanteraka an’i Jehovah isika ary mitovy hevitra amin’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Tsy hatahotra aho. ... Momba ahy i Jehovah. ... Aleo mialoka amin’i Jehovah.”—Salamo 118:6-9.