Hijery ny anatiny

Komity Mpanara-maso ao Amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, manao izay hampiharana ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

21 DESAMBRA 2022
ROSIA

Mangataka An’i Rosia mba Tsy Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Filan-kevitra Eoropeanina

Mangataka An’i Rosia mba Tsy Handrara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Filan-kevitra Eoropeanina

Nanoratra ho an’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny any Rosia ny Sekretera Jeneralin’ny Filan-kevitra Eoropeanina (CdE) tamin’ny 9 Desambra 2022. Nasainy nanaraka an’ilay didim-pitsarana vao navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) i Rosia. Tafiditra amin’io didim-pitsarana io ilay fanapahan-kevitra lehibe tamin’ny Jona 2022, hoe tsy rariny ny fandraran’i Rosia ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. a

Nampahatsiahy ilay taratasy hoe na dia tsy anisan’ny CdE intsony aza i Rosia nanomboka tamin’ny Martsa 2022, dia tsy maintsy mbola mankatò ny didim-pitsarana rehetra navoakan’ny CEDH hatramin’ny 16 Septambra 2022. Ankoatra izay, dia ataon’ny Komity Mpanara-maso ao Amin’ny CdE azo antoka foana hoe arahina tsara izay didim-pitsarana navoaka.

Taorian’ilay didim-pitsarana tamin’ny Jona 2022, dia hentitra be mihitsy io Komity io rehefa niteny tamin’ny Rosia hoe tokony hofoanany ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017 hoe voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao koa no nasain’ilay Komity nataon’i Rosia: “Mandinika indray an’ilay lalàna milaza hoe fikambanana mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah, ... mampitsahatra ny raharaha rehetra anenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny fitsarana sy mamoaka an’izay mbola any amin’ny-ponja. Atao azo antoka koa hoe olona madio izy ireo eo amin’ny fiaraha-monina fa tsy meloka, ary averina ny fananany nalain’ny fanjakana na omena onitra ry zareo.” b

Efa maherin’ny 660 izao ny rahalahy sy anabavintsika nahita olana noho ilay fandrarana, ohatra hoe nandoa lamandy na nogadraina satria fotsiny hoe nanaraka ny finoany izy ireo. Maherin’ny 360 amin’izy ireo no efa nigadra, dia ny 114 mbola any am-pigadrana na mbola tanana am-ponja vonjimaika.

Rahalahy sy anabavy 450 mahery no nampidirina ao anatin’ny lisitry ny olona mampidi-doza sy mpampihorohoro any Rosia, ary lasa sarotra ny fiainan-dry zareo sy ny an’ny fianakaviany vokatr’izany. Azon’ny rehetra jerena ilay lisitra, dia lasa afa-baraka ireo rahalahy sy anabavintsika ireo sady betsaka aminy no lasa tsy mahita asa. Anisan’ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo koa izao ny hoe tsy azony ampiasaina ny kaontiny any amin’ny banky. Sarotra be amin’izy ireo koa ny mahazo na manavao ny fiantohana azy, mivarotra ny fananany, manao raharaham-barotra, mahazo ny lovany, eny fa na dia ny mividy puce ho an’ny telefaoniny aza.

Faly isika mahafantatra hoe mbola manao izay azony atao foana ny CdE mba hahazo rariny ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Fa eo am-piandrasana ny tohin’izany anefa, dia tena mampahery ny rahalahy sy anabavy eran-tany ny manaraka ny tatitra farany ao amin’ny jw.org. Resahina ao mantsy hoe noho ny fanampian’i Jehovah, dia manam-pinoana sy be herim-po ary falifaly foana ireo rahalahintsika any Rosia.​—Filipianina 1:12-14.

a Jereo ny fehintsoratra fahatelo sy fahadimy amin’ilay didim-pitsarana H46-33, Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy ny Hafa (Fangatahana No. 302/02), sy Krupko sy ny Hafa (Fangatahana No. 26 587/07) Miady Amin’ny Federasionan’i Rosia.

b Jereo ny fehintsoratra fahefatra amin’ilay didim-pitsarana H46-33, Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy ny Hafa (Fangatahana No. 302/02), sy Krupko sy ny Hafa (Fangatahana No. 26 587/07) Miady Amin’ny Federasionan’i Rosia.