Hijery ny anatiny

Ny Fitsaran’i Chekhov ao amin’ny Faritr’i Moscou

21 MEY 2021
ROSIA

Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy sy Anabavy Krutyakov ary ny Rahalahy Nikiforov sy Zherebtsov na eo aza ny Fitsapana

Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy sy Anabavy Krutyakov ary ny Rahalahy Nikiforov sy Zherebtsov na eo aza ny Fitsapana

VAOVAO FARANY | Nampakatra Fitsarana Fanindroany Nefa Nolavin’ny Fitsarana Ambony Rosianina

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Rahalahy Yuriy Krutyakov sy Zinaida, vadiny, ary ny Rahalahy Vitaliy Nikiforov sy Konstantin Zherebtsov. Nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga voalohany anefa izany, tamin’ny 13 Janoary 2022. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Tamin’ny 20 Jolay 2021, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Moscou hoe mbola manan-kery ny sazy mihantona nomena an’i Yuriy, Zinaida, Vitaliy, ary Konstantin.

Tamin’ny 24 Mey 2021, dia nomelohin’ny Fitsaran’i Chekhov ao amin’ny Faritr’i Moscou i Yuriy, Zinaida, Vitaliy, ary Konstantin. Sazy mihantona enin-taona no nomen’ny fitsarana an’i Yuriy. Sazy mihantona roa taona avy kosa no azon’i Zinaida sy Vitaliy ary Konstantin.

Ireo voampanga

Yuriy Krutyakov

  • Teraka: 1952 (Nizhny Novgorod)

  • Mombamomba azy: Injenieran’ny asa vaventy. Mpanao sary sy lehiben’ny mpiasa no asa efa nataony. Efa aman-taonany no nikaroka hoe inona no antony namoronana ny olombelona. Nahazo valiny rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa tamin’ny 1998

    Nanambady an’i Zinaida tamin’ny 2012. Tia mahandro sakafo sy mihaino mozika izy mivady

Zinaida Krutyakova

  • Teraka: 1958 (Nizhnedevitsk)

  • Mombamomba azy: Nitaiza irery ny zanany vavy. Injeniera momba ny fomba fiasa, ary nanana traikefa manokana momba ny fitaovana vita amin’ny bakoly sy mahazaka hafanana. Efa misotro ronono

    Tsy azony hoe fa maninona no feno tsy rariny eran-tany. Nahazo valiny mahafa-po rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa tamin’ny 2003. Nanambady an’i Yuriy tamin’ny 2012

Vitaliy Nikiforov

  • Teraka: 1968 (Nevel, Faritr’i Pskov)

  • Mombamomba azy: Nahay matematika sy tia spaoro be tamin’ny mbola kely. Mpikojakoja fiaramanidina tao amin’ny tafika ana habakabaka rosianina

    Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2005. Nisotro ronono tamin’ny 2007. Natao batisa tamin’ny 2012

Konstantin Zherebtsov

  • Teraka: 1973 (Turkménistan)

  • Mombamomba azy: Tia nibata fonjam-by sy nanangona hajia tamin’ny mbola tanora. Nahazo diplaoma tamin’ny sekoly teknika ary elektrisianina no asany. Niasa tao amin’ny orinasa mpanamboatra milina ho an’ny toerana mpamokatra angovo niokleary, nanomboka tamin’ny 2003

    Nanambady an’i Natalya tamin’ny 1994. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady. Natao batisa tamin’ny 2016

Mombamomba an’ilay raharaha

Tamin’ny 30 Septambra 2019, dia nampangain’ny Komity Mpanao Famotorana Rosianina any amin’ny faritr’i Moscou ny Rahalahy Vitaliy Nikiforov sy Konstantin Zherebtsov ary Yuriy Krutyakov sy ny Ranabavy Zinaida Krutyakova, vadiny. Nataon’ny polisy savahao ny tranon’izy ireo, roa andro tatỳ aoriana.

Nalaina am-bavany nandritra ny ora maro i Vitaliy sy Konstantin ary Zinaida, dia avy eo notazonina tao amin’ny toerana iray nandritra ny alina tontolo. Nambenana tao an-tranony izy ireo taorian’izay.

Notanana am-ponja vonjimaika i Yuriy tamin’ny 5 Martsa 2020. Fonja telo samihafa no efa namindrana azy taorian’izay, ary mbola migadra izy hatramin’izao.

Nilaza i Konstantin hoe ny vavaka no tena manampy azy hiaritra ny fitsapana mahazo azy. Nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy azy tsy hanahy be loatra izy, tamin’ilay alina nanaovan’ny polisy bemidina tany an-tranony. Hoy izy: “Niezaka ny ho tony sy hanaja an’ireo polisy izahay mianakavy, ka fitoriana vita ho azy izany. Hitan-dry zareo mantsy tamin’izay hoe tia fihavanana ny vahoakan’Andriamanitra sady mpankatò lalàna.”

Hoy ihany i Konstantin: “Rehefa tena ao anatin’ny mafy aho, dia ilay andinin-teny ao amin’ny Zakaria 2:8 no mampahery ahy. Mampahatsiahy ahy izy io hoe karakarain’i Jehovah aho sady sarobidy aminy; omeny toky koa aho hoe harovany hoatran’ny anakandriamasony.”

Mametraka an’izay manavesatra azy amin’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavintsika ireo, ka azontsika antoka hoe hotohanany foana.​—Salamo 55:22.