Hijery ny anatiny

23 DESAMBRA 2020
ROSIA

Mbola Melohin’ny Fitsarana Ambony any Rosia Ihany ny Rahalahy Khasan Kogut

Mbola Melohin’ny Fitsarana Ambony any Rosia Ihany ny Rahalahy Khasan Kogut

Mbola nomelohin’ny fitsarana ambony any Kemerovo ny Rahalahy Khasan Kogut, tamin’ny 23 Desambra 2020. Ampiharina aminy ihany ilay sazy mihantona roa taona sy tapany nomena azy teo aloha. Tsy migadra any am-ponja aloha izy izao.

Diso fanantenana i Khasan rehefa nomelohin’ny fitsarana satria lasa mpanao heloka bevava no ilazana azy any amin’ny taratasy mombamomba azy. Mampahery azy anefa ny mahalala hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy ary ankasitrahany. Tapa-kevitra ny hiaraka hanompo an’i Jehovah izy telo mianaka, izany hoe i Khasan sy Yekaterina vadiny ary Timofey zanany lahy valo taona.

Tsy natahotra mihitsy i Khasan niteny an’izao, tamin’ny teny farany nataony teo anatrehan’ny fitsarana, tamin’ny 10 Septambra 2020: “Mino sy matoky an’i Jehovah Andriamanitra foana aho. Amiko, dia manao heloka bevava izay mitady hanery ahy tsy hatoky azy intsony. Na inona na inona atao amiko, dia fantatro fa ‘na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’”— Romanina 8:38, 39.