Hijery ny anatiny

Anabavy Lyudmila Ponomarenko

15 APRILY 2021
ROSIA

Mbola Mitohy Foana ny Fitsarana ny Anabavy Lyudmila Ponomarenko, Izay Efa Fitopolo Taona

Mbola Mitohy Foana ny Fitsarana ny Anabavy Lyudmila Ponomarenko, Izay Efa Fitopolo Taona

Datin’ny didim-pitsarana

Tsy ho ela dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Anabavy Lyudmila Ponomarenko ny Leninskiy any Rostov-on-Don. a

Ilay voampanga

Lyudmila Ponomarenko

  • Teraka: 1950 (tany Ola, Faritr’i Magadan)

  • Mombamomba azy: Elektrisianina tany amin’ny orinasa iray izy tamin’ny mbola tsy nisotro ronono. Manan-janaka roa vavy sy zafikely roa. Tia mamaky boky sy manao ba krôse. Mikarakara ny vadiny efa marary mafy izy

  • Tena gaga be rehefa nahalala ny anaran’ilay Mpamorona. Nanohina be ny fony koa ny nahafantatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1998

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangaina hoe mpanao heloka bevava ny Anabavy Lyudmila Ponomarenko, tamin’ny 6 Jona 2019. Anisan’ny heloka bevava nataony, hono, ny nanome ny tranony hanaovana fivoriana ara-pivavahana ho an’ny fikambanana “mampidi-doza.” Anisan’ny heloka nataony koa, hono, ny niresaka an’izay lazain’ny Baiboly tamin’ny olon-kafa.

Tsy nieritreritra i Lyudmila hoe tsy ho anisan’ny henjehina hoatran’ny anadahiny sy rahavaviny any Rosia izy. Hoy izy: “Vao nanomboka nanenjika ny anadahy sy rahavavy tany amin’ny faritr’i Moscou sy ny tany amin’ny tanànan’i Taganrog ry zareo dia hozy aho hoe tsy maintsy mbola ho tratra daholo izany ny olon-drehetra.”

Tsy afaka nanatrika ny fitsarana azy ny mpiara-manompo mba hanohanana sy hampaherezana azy, satria mbola teo ny fameperana tamin’ny COVID-19. Hoy i Lyudmila momba an’izany: “Natahotra sy nitebiteby aho satria izaho irery foana no ho any amin’ny tribonaly. Nihira moramora ny hiran’ilay Fanjakana foana àry aho, dia nivavaka tamin’i Jehovah teny an-dalana ho any amin’ny tribonaly. Nampahery be an’ahy ny nanao an’izany. Tsy nitebiteby aho rehefa teo anatrehan’ny fitsarana, sady hoatran’ny vetivety kely izany ilay izy dia vita.”

Nanazava koa i Lyudmila hoe nisy vokany tamin’ny vadiny sy ny zanany roa vavy ilay izy, satria tsy Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Hoy izy: “Tsy azon-dry zareo mihitsy hoe fa maninona aho no tsaraina. Natahotra be ry zareo satria vao mainka miharatsy ny fahasalamako vokatr’ilay izy.” Hoy koa izy: “Lasa hitan’ny fianakaviako anefa, tatỳ aoriana, hoe hay zavatra tsisy dikany akory ilay nitsarana an’ahy. Nahavita niaritra aho satria lasa [nanohana ahy ry zareo].”

Tsy nampihena ny zotom-pon’i Lyudmila ilay nenjehina. Hoy izy: “Faly be mihitsy aho satria tsy matahotra ny zavatra mitranga amiko amin’izao, na izay nolazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny hoavy. Vao mainka aza aho lasa mifandray be amin’i Jehovah. Lasa lalina sy lava kokoa ny vavaka ataoko, sady izay tena ao am-poko sy tsapako no teneniko.”

Fantatsika hoe mbola homen’i Jehovah ny fanahiny foana ny Anabavy Ponomarenko sady mbola ho “ao ambany alok’Ilay Mahery Indrindra” foana.—Salamo 91:1.

a Tsy voatery ho fantatra mialoha foana ny daty hivoahan’ny didim-pitsarana.