Hijery ny anatiny

Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg, Frantsa

10 JONA 2020
ROSIA

Mbola Tsy Mankatò ny Lalàna Iraisam-pirenena Ihany i Rosia, Folo Taona Taorian’ilay Didy Navoakan’ny CEDH

Mbola Tsy Mankatò ny Lalàna Iraisam-pirenena Ihany i Rosia, Folo Taona Taorian’ilay Didy Navoakan’ny CEDH

Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 10 Jona 2010, hoe tena nanitsakitsaka ny zon’olombelona ny fanjakana rosianina. Feno folo taona androany ny nivoahan’io didy io. Nanakantsakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rosia nandritra ny taona maro talohan’izay. Nampandoavin’ny CEDH lamandy be koa i Rosia ary nasainy naverina nosoratana ara-dalàna ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou. Nofoanan’ny fanjakana mantsy io fikambanana io tamin’ny 2004.

Vao nivoaka io didim-pitsarana io, dia nilaza toy izao ny Rahalahy Ivan Chaykovskiy, solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou tamin’izany fotoana izany: “Niharihary tamin’iny didim-pitsarana iny ny tena zava-misy ary resy ny fanavakavahana fivavahana. Manantena aho fa haverina aminay haingana ny zonay ara-dalàna noho iny didim-pitsarana iny, ary tsy hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia intsony ny fanjakana.”

Tsy tanteraka anefa ny zavatra nantenainy. Sady tsy nanaraka ny voalazan’ilay didim-pitsaran’ny CEDH mantsy ny fanjakana rosianina no vao mainka nanenjika an’ireo rahalahintsika nanerana an’i Rosia. Nihamafy ny fanenjehana rehefa noraran’ny Fitsarana Tampony any Rosia ny fivavahantsika, tamin’ny 2017. Betsaka no nosamborina sy notsaraina ary nogadraina taorian’izay.

Na dia efa folo taona aza izay no nivoahan’ilay didim-pitsaran’ny CEDH nanameloka an’i Rosia, dia mbola mihatra ny ankamaroan’izay voalaza ao. Betsaka amin’ireo zavatra iampangan’i Rosia an’ireo rahalahintsika amin’izao no efa nolavin’ny CEDH tamin’ny 2010.

Raha fintinina, dia nilaza ny CEDH fa tokony haverina hosoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, satria “tsy misy antony araka ny lalàna” tokony handavan’ny Minisiteran’ny Fitsarana any Moscou sy ireo fitsarana any Moscou an’izany. Nanakiana ny manam-pahefana tany Moscou ilay Fitsarana, ka nilaza fa tokony ho nampihatra ny rariny izy ireo ary tsy tokony ho nanavakavaka. Tsy nanaja ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona koa ny manam-pahefana tany Moscou, nefa i Rosia anisan’ireo firenena nanao sonia azy io.

Hoatran’ny tamin’ny 2010 ihany, dia tsy miafina amin’ny olona ny fanenjehan’i Rosia an’ireo rahalahintsika amin’izao taona 2020 izao. Izao no nolazain’i Rachel Denber, tale lefitry ny Mpanara-maso ny Zon’olombelona any Eoropa sy Azia Afovoany: “Mety higadra ianao raha Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, satria manaraka ny fivavahanao.” Izao koa no nolazainy tamin’ny 9 Janoary 2020: “Tsy azo ekena mihitsy izany, na kely aza.”

Tena iharan’ny tsy rariny ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Mivavaka àry isika mba hatanjahin’i Jehovah izy ireo ka hahavita “hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.”—Kolosianina 1:11.