Hijery ny anatiny

Ilay Biraom-panjakana Manara-maso Momba ny Vola

13 JANOARY 2023
ROSIA

Mbola Vavolombelon’i Jehovah An-jatony Hatramin’izao no Tsy Avelan’i Rosia Mampiasa Malalaka ny Volany

Mbola Vavolombelon’i Jehovah An-jatony Hatramin’izao no Tsy Avelan’i Rosia Mampiasa Malalaka ny Volany

Misy sampan-draharaha iray antsoina hoe Biraom-panjakana Manara-maso Momba ny Vola (Rosfinmonitoring), any Rosia. Natao hiadiana amin’ny karazana heloka bevava rehetra misy ifandraisany amin’ny vola izy io, ohatra hoe ny famatsiana vola an’ireny mpanao asa fampihorohoroana ireny. Manana lisitr’izay olona ahiahina hoe ao anatina fikambanana mpampihorohoro na mahery fihetsika io birao io. Matetika no soratan’ilay birao ao, na dia olona mbola tsy voaporofo tany amin’ny fitsarana akory aza hoe meloka.

Anarana rahalahy sy anabavy 525 izao no efa voasoratra ao amin’ilay lisitra, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia an’ilay didy hoe voarara tanteraka ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. a Vavolombelona be taona ny 100 mahery amin’ireo 525 ireo.

Tena zara raha mahazo mampiasa vola izay olona ao anatin’io lisitra io. Tsy mahazo maka ny volany any amin’ny banky, ohatra, ry zareo, fa vola 10 000 roubles (137 dolara) ihany no azony alaina any isam-bolana, arakaraka ny isan’ny olona ao an-tranony. Izay ihany no azony alaina ho an’ny mpianakavy tsirairay. Mbola misy fepetra be dia be hafa koa, dia lasa manahirana be mihitsy na lasa tena tsy azo atao, na dia ny zavatra tsy tokony hoe hanahirana be aza. Lasa sahirana be, ohatra, ry zareo vao mahavita mivarotra na mividy trano na fiara, na mangataka fiantohana, na mikarakara lova, na mindrana vola any amin’ny banky, na mangataka vola fanampiana rehefa tsy an’asa. Ny Vavolombelona misotro ronono na kilemaina no tena sahirana satria lasa mijaly be vao mahita vola hividianana fanafody. Matetika koa ry zareo no lasa tsy afaka mandeha fiara fitateram-bahoaka.

Nampidirin’ny manam-pahefana tao anatin’io lisitra io ny anaran’ny Rahalahy Anton Chermnykh any Ussuriysk, tamin’ny Desambra 2019. Hoy izy: “Isaky ny haka ny karamako aho isam-bolana, dia tsy maintsy manome porofo foana aloha hoe tsy vola azoko tamin’ny heloka bevava ilay izy. Tsy maintsy manatitra antontan-taratasy be dia be any amin’ny banky aho, dia hamarinin’ny banky tsara aloha ilay izy, dia alefany hamarinina any Moscou indray avy eo. Tapa-bolana vao voamarina ilay antontan-taratasy. Omena daty iray hankanesako any amin’ny banky aho aorian’izay. Rehefa tonga any aho, dia misy mpiasan’ny banky maka ny volako ao amin’ny kaontiko, dia manome ahy an’ilay izy. Vao vita izay, dia tsy avelany hakana vola intsony indray aloha ilay kaontiko. Lasa matahotra ahy ny mpiasa vaovao ao amin’ilay banky rehefa mahafantatra hoe nampidirina tao amin’ilay lisitra misy ny anaran’izay olona ahiahina hoe mpampihorohoro aho.”

Matanja-tsaina foana anefa ny rahalahy sy anabavintsika, na eo aza ireo olana ireo. Anisan’izany ny Rahalahy Yuriy Belosludtsev. Nampidirin’ny manam-pahefana tao amin’ilay lisitra ny anarany, roa taona sy tapany talohan’ny nahazoany sazy mihantona enin-taona. Hoy izy: “Tsy navela naka vola tao amin’ny kaontiko tany amin’ny banky aho. Nanampy anay mivady anefa ny mpiara-manompo aminay. Tena misaotra an’i Jehovah izahay fa manana an-dry zareo.”

Haintsika hoe fantatr’i Jehovah tsara daholo ny tsy rariny iaretan’ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Marina fa mbola mijaly ry zareo hatramin’izao, nefa mivavaka ho an-dry zareo isika sady matoky tanteraka hoe hanome an’izay ilain-dry zareo foana i Jehovah.​—Matio 6:33.

a Anarana rahalahy sy anabavy 35 no efa nesorin’ny Rosfinmonitoring tao amin’ilay lisitra tamin’ny Desambra 2022, satria efa nahavita ny saziny na efa nandoa onitra.