Hijery ny anatiny

19 FEBROARY 2019
ROSIA

Melohin’i Rosia Higadra Enin-taona i Dennis Christensen

Melohin’i Rosia Higadra Enin-taona i Dennis Christensen

Araka ny nampandrenesina tamin’ny 6 Febroary 2019, dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy any Oriol higadra enin-taona i Dennis Christensen, satria fotsiny hoe nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana nilamina tsara. Nampakarina fitsarana ambony kokoa ilay raharaha.

Fikambanana iraisam-pirenena maro no naneho ny heviny avy hatrany rehefa nivoaka ilay didim-pitsarana nanameloka an’i Christensen. Na ny avy ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, na ny avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina, na ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany, na ny Biraon’ny Ambasadaoro ho An’ny Zon’olombelona, na ny fikambanana hafa, dia samy nilaza fa tsy marim-pototra sady tsy rariny ny nanamelohana an’i Dennis Christensen.

Nanao fanambarana i Michelle Bachelet, Ambasadaoro ho An’ny Zon’olombelona (ONU). Izao no ampahan’ny zavatra nolazainy: “Mampahatahotra ny tohin’izao fanamelohana an’i Christensen izao. Hoheverina ho mpanao heloka bevava mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, na dia manana fahalalahana ara-pivavahana aza izy ireo.” Nilaza tamin’ny fanjakana rosianina izy mba “hanova ny Lalàna Hiadiana Amin’ny Fikambanana Mahery Fihetsika, amin’izay mba mazava tsara ny dikan’ny hoe ‘mahery fihetsika’ ary tokony hofaritana mazava tsara ao hoe misy herisetra na fankahalana tafiditra amin’ilay izy.” Teo am-pamaranana, dia nangataka ny manam-pahefana Rtoa Bachelet mba “hanatsoaka ny fiampangana an’ireo nanao zavatra ananany zo, sy hanafaka an’izay rehetra nogadraina noho ny zavatra inoany na eritreretiny na lazainy, na noho izy nivory nilamina tsara.”

Nisy manam-pahaizana momba ny zon’olombelona nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tany Moscou, roa andro taorian’ny nanamelohana ny Rahalahy Christensen. Rosianina izy efatra ary fantatry ny olona tsara. Feno hipoka ilay toerana ary olona 6000 mahery no nanaraka mivantana an’ilay fandaharana tao amin’ny Internet. Naharitra adiny iray ilay izy. Samy nilaza ireo manam-pahaizana ireo hoe mpitandro fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy atahorana hanimba ny fiaraha-monina mihitsy.

Valandresaka ho an’ny mpanao gazety tany Moscou, tamin’ny 8 Febroary 2019.

Nandray anjara teo koa i Irina, vadin’ny Rahalahy Christensen, sy Atoa Anton Bogdanov, mpisolovavany, ary Yaroslav Sivulskiy, solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa. Nilaza izy ireo fa tsy rariny ilay didim-pitsarana. Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety koa izy ireo.

Falifaly foana ny Rahalahy Christensen sady mbola tapa-kevitra ny hitoky amin’i Jehovah foana, na dia efa ho roa taona aza izy no nigadra. Andro vitsivitsy talohan’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, dia nilaza an’izao izy tamin’ny teny famaranana nataony teo anatrehan’ny fitsarana: “Tsy maintsy mipoitra foana ny marina na ho ela na ho haingana, ary izany koa no hitranga amin’ity raharaha ity.” Namaky ny Apokalypsy 21:3-5 izy ary feno toky rehefa namarana ny teniny hoe: “Ho hoatr’izany ny fiainana rehefa hampanjaka ny rariny sy ny tena fahafahana amin’ny olona rehetra Andriamanitra. Miaraka foana ny fahalalahana sy ny rariny, ary hataon’Andriamanitra izay hahatanteraka an’ireo teny ireo.”

Tsy maintsy miandry ao amin’ny fonja any Oriol ny Rahalahy Christensen, mandra-pivalin’ilay fangatahana fampakarana fitsarana ambony kokoa. Efa tany foana moa izy nandritra an’izay herintaona sy valo volana izay.

Mivavaka amin’i Jehovah foana isika mba hanohanany an’i Dennis Christensen sy ny vadiny ary ny mpiara-manompo amintsika rehetra manerana an’i Rosia.—1 Petera 3:12.

Novokarin’ny RFE/RL, mpamoaka vaovao iraisam-pirenena, ity video hoe Russian Trial Called ‘A Litmus Test For Religious Freedom’ ity (Ho Hita Amin’ity Fitsarana ity Raha Mamela ny Olona Hifidy Malalaka ny Fivavahany i Rosia na Tsia), andro vitsivitsy talohan’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana.