Hijery ny anatiny

13 DESAMBRA 2019
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Enin-taona ny Rahalahy Alushkin

Melohin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Enin-taona ny Rahalahy Alushkin

Nivoaka ny 13 Desambra 2019 ny didim-pitsarana manameloka ny Rahalahy Vladimir Alushkin higadra enin-taona. Nasiana rojo vy teo no ho eo ny tanany ary tonga dia nentina tany am-ponja izy. Hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny Rahalahy Alushkin.