Hijery ny anatiny

16 DESAMBRA 2020
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Enin-taona ny Rahalahy Yuriy Savelyev

Melohin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Enin-taona ny Rahalahy Yuriy Savelyev

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Novossibirsk higadra enin-taona ny Rahalahy Yuriy Savelyev, tamin’ny 16 Desambra 2020. Tsy mivadika mihitsy i Yuriy rahalahintsika, ary mampahery azy ny mianatra samirery an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly.

Nanararaotra nitory i Yuriy tamin’ny fanambarana farany nataony teo anatrehan’ny fitsarana, tamin’ny 9 Desambra. Hoy izy: “Tanteraka eto imasonareo izao ny faminaniana iray nolazain’i Jesosy Kristy. Voasoratra ao amin’ny Baiboly, Soratra Masina, ilay izy, ao amin’ny Marka 13:9, hoe: ‘Mitandrema kosa ianareo, fa hanolotra anareo amin’ny fitsarana eo an-toerana ny olona. Ary hokapohina any amin’ny synagoga ianareo ka hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka noho ny amiko. Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany.’”