24 FEBROARY 2021
ROSIA
Melohin’ny Fitsarana Rosianina Higadra ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy ny Reniny, Ranabavy Valentina Baranovskaya
Namoaka didy ny fitsaran’i Abakan any amin’ny Repoblikan’i Khakassie, tamin’ny 24 Febroary 2021, hoe meloka higadra enin-taona ny Rahalahy Roman Baranovskiy. Nomelohin’io fitsarana io higadra roa taona koa ny Ranabavy Valentina Baranovskaya, renin’i Roman. Izy no anabavy rosianina voalohany nomelohina higadra noho ny finoany. Tapaka lalan-dra i Valentina tamin’ny Jolay 2020, ary amin’ny Aprily 2021 izy no ho feno 70 taona.
Tonga dia nentina tany am-ponja izy mianaka taorian’ny nivoahan’ilay didy. Hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy ireo.