Hijery ny anatiny

6 FEBROARY 2019
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina i Dennis Christensen ary Voasazy Higadra Enin-taona

Melohin’ny Fitsarana Rosianina i Dennis Christensen ary Voasazy Higadra Enin-taona

Nanameloka an’i Dennis Christensen ny fitsarana iray any Rosia, tamin’ny 6 Febroary 2019, satria hoe “mikarakara zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza” izy. Migadra enin-taona no saziny. Tsy rariny ilay didim-pitsarana ka hampakarina fitsarana ambony kokoa. Betsaka ny fikambanana avy amin’ny firenena samihafa manara-maso an’io raharaha io.

Mivavaka ho an’i Dennis Christensen sy Irina vadiny ary ny rahalahy sy anabavintsika maro any Rosia isika. Enga anie izy ireo mba ‘tsy ho taitaitra sy hatoky’ an’i Jehovah foana.—Isaia 30:15.

 

Hamaky ny Tohiny