Hijery ny anatiny

Aleksandr sy Anna Solovyev

5 JOLAY 2019
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Aleksandr Solovyev

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Aleksandr Solovyev

Nolazain’ny Fitsaram-paritr’i Ordzhonikidzevskiy, any Perm, tamin’ny alakamisy 4 Jolay 2019, hoe meloka ny Rahalahy Aleksandr Solovyev, ary tsy maintsy mandoa onitra 300000 roubles (17300000 ariary mahery).

Nosamborina tao amin’ny gara ny Rahalahy Solovyev tamin’ny takarivan’ny 22 Mey 2018, tamin’izy avy nanao dia lavitra niaraka tamin’i Anna vadiny. Nasian’ny polisy rojo vy ny tanan’ny Rahalahy Solovyev tamin’izay, ary notanany am-ponja vonjimaika izy. Nentin’ny polisy koa ny Ranabavy Solovyev fa tsy niray fiara tamin’ny vadiny. Nosavain’ny polisy ny tranon’izy mivady nandritra ny alina manontolo, ary nalain’izy ireo ny sary, fitaovana elektronika, ary ny Baiboly maromaro.

Rehefa avy nalaina am-bavany ny Ranabavy Solovyev dia navotsotra ary tsy nampangaina ho nanao heloka bevava. Nampangaina kosa ny Rahalahy Solovyev, ary nambenana tao an-tranony, nanomboka tamin’ny 24 Mey ka hatramin’ny 19 Novambra 2018. Mandra-piandry ny fitsarana azy, dia noferan’ny manam-pahefana ny zavatra azony atao.

Tsy manaiky ny fanamelohana ny Rahalahy Solovyev ny mpisolovavany ka hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa. Nametraka fitarainana tany amin’ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny ao amin’ny ONU koa izy ireo.

“Tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra” antsika mihitsy isika, rehefa mihamitombo ny fanenjehana, ohatra hoe any Rosia. Matoky isika hoe homen’i Jehovah an’izay ilaintsika foana isika rehetra mba hiaretana, mandra-pahatongan’ny andro famonjeny.—Filipianina 1:28.