Hijery ny anatiny

12 FEBROARY 2021
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Igor Tsarev ary Omeny Sazy Mihantona

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Igor Tsarev ary Omeny Sazy Mihantona

Nanamafy ny didim-pitsarana navoaka momba an’i Igor ny Fitsaran’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 19 Aprily 2021, ka tsy miova ilay sazy mihantona roa taona sy tapany nomena azy.

Namoaka didy nanameloka an’i Igor ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 12 Febroary 2021. Nomen’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy tapany izy.

Tony tsara foana i Igor ary tsy niova hevitra mihitsy nandritra ny fitsarana azy, sady nifantoka tamin’ny zavatra mampahery foana. Hoy izy tamin’ny fanambarana farany nataony teo anatrehan’ny fitsarana, tamin’ny 11 Febroary 2021: “Nieritreritra aho hoe inona no holazaiko amin’ity teny farany hataoko ity. Dia nanapa-kevitra aho hoe hampihatra ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina rehetra. Nilaza izy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina hoe: ‘Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.’

“Te hisaotra anao àry aho ry Mpitsara Hajaina, satria nilamina tsara ny fizotran’ny fitsarana, ary nihaino tsara anay ianao. ... I Jehovah ilay Mpamorona antsika sady Andriamanitsika anefa no isaorako manokana satria nanohana ahy foana izy nandritra ny fitsarana ahy. Nataony tony tsara ny saiko sy ny foko.”​—Kolosianina 3:15.