Hijery ny anatiny

1 APRILY 2021
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Ranabavy Tatyana Zagulina ary Omeny Sazy Mihantona

Melohin’ny Fitsarana Rosianina ny Ranabavy Tatyana Zagulina ary Omeny Sazy Mihantona

Melohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Ranabavy Tatyana Zagulina, tamin’ny 31 Martsa 2021. Nomena sazy mihantona roa taona sy enim-bolana izy. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy izao.