Hijery ny anatiny

4 FEBROARY 2020
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Kim sy Polevodov

Melohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Kim sy Polevodov

Nomelohin’ny fitsarana any Khabarovsk ny Rahalahy Stanislav Kim sy Nikolay Polevodov, tamin’ny 4 Febroary 2020, ka nomeny sazy mihantona roa taona. Tsy migadra izy ireo mandritra an’izay fotoana izay fa arahi-maso. Hampiakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy ireo. Misy raharaha hafa koa iampangana azy ireo ho mpanao heloka bevava, ary fitsarana iray hafa ao Khabarovsk no miandraikitra azy io. Mbola tsy fantatra hoe rahoviana no hivoaka ny didim-pitsarana momba an’io raharaha io.