Hijery ny anatiny

Rahalahy Nikolay Kuzichkin (havia) sy Vyacheslav Popov (havanana)

18 DESAMBRA 2020
ROSIA

Melohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Nikolay Kuzichkin sy Vyacheslav Popov

Melohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Nikolay Kuzichkin sy Vyacheslav Popov

Didim-pitsarana

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Khostinskiy, any Sochi, tamin’ny 18 Desambra 2020, fa meloka higadra herintaona sy iray volana ny Rahalahy Nikolay Kuzichkin, ary herintaona sy folo volana ny Rahalahy Vyacheslav Popov. Azo lazaina hoe efa vitan-dry zareo anefa ny saziny satria efa notanana am-ponja vonjimaika izy ireo. Mbola tanana am-ponja vonjimaika i Vyacheslav amin’izao, fa rehefa manan-kery ilay didim-pitsarana dia hahafahana avy hatrany izy. I Nikolay indray efa tsy ambenana ao an-tranony intsony.

Ireo voampanga

Nikolay Kuzichkin

  • Teraka: 1951 (Kostroma)

  • Mombamomba azy: Nianatra mozika, ary lasa mpikarakara feona piano ny asany. Manan-janaka telo lahy izy sy Olga vadiny. Mpiompy tantely tena mahay

    Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1991 tany ho any. Izy mihitsy no nahita hoe tena tanteraka ny faminanian’ny Baiboly, dia lasa nanokan-tena sy natao batisa izy tamin’ny 1993

Vyacheslav Popov

  • Teraka: 1974 (Tomsk)

  • Mombamomba azy: Efa nanan-talenta hatramin’ny mbola kely, ka lasa mpampihaingo trano. Teny amin’ny oniversite no nihaonany tamin’i Yuliya. Nivady tamin’ny 1998 ry zareo, ary niteraka roa lahy sy vavy tokana. Nifindra tany Sochi tamin’ny 2010. Tia manao ski sy manao vakansy any amoron-tsiraka izy mianakavy

    Yuliya no nianatra Baiboly voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampahery an’i Vyacheslav ny zavatra nampianarin’ny Baiboly rehefa maty ny dadany. Natao batisa tamin’ny 2004

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy andiana polisy mpitsikilo nirongo fiadiana tonga nisava tampoka ny trano 36 ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Sochi, any Rosia, tamin’ny harivan’ny 10 Oktobra 2019. Nitondra alika ny sasany tamin-dry zareo.

Nasain-dry zareo nihohoka tamin’ny tany daholo na antitra na tanora, dia nosavan-dry zareo ny tranony. Nalain’izy ireo daholo ny finday, tablette, ordinatera, boky, kahie fandraisana naoty, hatramin’ny cartes postales. Nametrahan-dry zareo boky voarara ny trano sasany nosavany. Nosamborin-dry zareo i Nikolay sy Vyacheslav tamin’izay, dia nampidirin-dry zareo am-ponja vonjimaika ny ampitson’iny.

Manana aretina lehibe maromaro ny Rahalahy Kuzichkin dia imbetsaka no nangataka ny hotsaboina. Nolavin’ny fitsarana foana anefa ny fangatahany. Nilaza ry zareo fa tsy ao amin’ny “lisitry ny aretina manakana ny olona iray tsy higadra”, hono, ny aretin’i Kuzichkin. Vao maika aza izy narary satria feno hipoka ilay efitra nametrahana azy sady misy mifoka sigara.

Na dia nampidi-doza aza ny zavatra niainan’i Nikolay tany am-ponja dia mbola niteny ihany izy hoe: “Hoatran’ny hoe atao radio ny Kristianina iray rehefa migadra. Ao vao miseho ny tena maha izy azy, dia hita eo raha tena tsara toetra izy na tsia.” Tsy nieritreritra be an’izay nahazo azy i Nikolay, ary olona tsara fanahy sy tia mifandray amin’ny hafa no nahalalan’ny olona azy. Niezaka be izy nanampy ny mpiara-migadra aminy kivy sy te hamono tena.

Nohalavaina inenina ny fotoana nitanana am-ponja vonjimaika an’i Nikolay, dia avy eo izy nambenana tany an-tranony, nanomboka tamin’ny 22 Aprily 2020. Tena nalemy izy tamin’izay sady zara raha tafatsangana. Izay izy vao navela hikarakara ny fahasalamany.

Nohalavaina in-14 ny fotoana nitanana am-ponja vonjimaika an’i Vyacheslav, dia lasa tafasaraka tamin’ny fianakaviany izy nandritra ny herintaona mahery.

Misaotra an’i Nikolay sy Vyacheslav isika satria modely tsara izy ireo. Manam-pinoana ry zareo sady tapa-kevitra foana hoe hiaro ny zon’i Jehovah hitondra. Nanao hoatran’ilay voalazan’ny Salamo 16:8 izy ireo hoe: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako.”