Hijery ny anatiny

Lapan’i Hofburg, any Vienne, misy ny Filan-kevitra Maharitry ny Fikambanana Misahana ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa Eoropeanina (OSCE)

11 AOGOSITRA 2020
ROSIA

Melohin’ny Manam-pahefana Amerikanina sy Eoropeanina i Rosia Satria Manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah

Melohin’ny Manam-pahefana Amerikanina sy Eoropeanina i Rosia Satria Manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah

Nomelohin’i Etazonia sy ny firenena 30 eo ho eo any Eoropa i Rosia satria manenjika sy mampijaly ny rahalahintsika any. Nanao an’izany ireo firenena ireo nandritra ny fivoriana iray nataon’ny Filan-kevitra Maharitry ny Fikambanana Misahana ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa Eoropeanina (OSCE) a, tamin’ny 23 Jolay 2020.

Nandritra an’ilay fivoriana, dia izao no nolazain-dRtoa Lane Darnell Bahl, mpanolo-tsaina ao amin’ireo Solontenan’i Etazonia ao amin’ny OSCE amin’izao fotoana izao: “Efa nanameloka ny fanenjehan’i Rosia ny Vavolombelon’i Jehovah i Etazonia sy ny firenena maro hafa, ary mbola hanohy hanao an’izany. Tafiditra amin’izany ny bemidina tsy ara-drariny ataon’ny polisy any amin’ny tranon’izy ireo, ny fisamborana sy fanagadrana azy ireo noho ny antony tsy marim-pototra, ny fanamelohana azy ireo higadra hatramin’ny enin-taona, ary ny fampijaliana azy ireo.”

Anisan’ny tena nampanahy an’ireo nivory tamin’io fotoana io ny nataon’ny manam-pahefana rosianina tany amin’ny faritr’i Voronej, vao haingana. Nanao bemidina tany amin’ny trano 100 ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny manam-pahefana tany. Nilaza Rtoa Lane Darnell Bahl hoe: “Tena mampalahelo hoe olona manaraka fivavahana tia fihavanana sady vitsy an’isa dia enjehina mafy hoatran’izany.”

Nilaza koa Rtoa Nicola Murray, filoha lefitry ny Solontenan’i Royaume-Uni ao amin’ny OSCE, fa manahy izy hoe “hoatran’ny zavatra efa voaomana tsara ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tadiavina mafy izy ireo, dia vao mainka mitombo ny bemidina atao any amin’ny tranony sady tonga dia indray miaraka.” Nilaza koa izy hoe: “Natao famotorana sy nampangaina izy ireo satria fotsiny hoe nanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany.”

Nilaza koa Rtoa Lane Darnell Bahl fa tsy marina ny fiampangan’ny manam-pahefana any Voronej an’ireo Vavolombelona nomelohin’izy ireo sy nogadrainy. Araka ny nolazain’ireo manam-pahefana ireo, dia “manao tetika hanaovana zavatra tsy ara-dalàna” ireo Vavolombelona, tafiditra amin’izany ny hoe mitahiry tatitra sy antontan-taratasy hafa amin’ny endrika elektronika, mizara olona ho antokony vitsivitsy, ary mampiasa vidéoconférence mba hanaovana fivoriana. Nilaza Rtoa Lane Darnell Bahl fa “tsy mitombina sady mahamenatra” ny zavatra nolazain’ireo manam-pahefana rosianina ireo. Nanazava izy fa zavatra ataony isan’andro ireo lazaina fa “tetika hanaovana zavatra tsy ara-dalàna” ireo. Nilaza koa izy hoe azo melohina izany ireo Solontenan’i Rosia nandray anjara tamin’ilay fivorian’ny OSCE, satria ry zareo nampiasa vidéoconférence mba hanatrehana an’ilay fivoriana avy any Rosia.

Izao no voalaza tao amin’ny fanambarana nataon’ireo firenena 27 anisan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenena 8 hafa tsy anisan’ilay vondrona: “Imbetsaka ny Solontenan’i Rosia no nilaza, nandritra ny fivorian’ny Filan-kevitra Maharitra, fa afaka manaraka tsara ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mbola ho afaka hanao an’izany foana. Nilaza koa izy ireo fa manaja tsara ny zon’ny olona hifidy ny fivavahany na ny zavatra inoany ny Federasionan’i Rosia. Mbola maharay tatitra be dia be ihany anefa izahay hoe anaovana bemidina ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary gadraina sy atao famotorana izy ireo. Mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra lazain’ny Solontenan’i Rosia izany.”

Izao koa no nolazain’ny Solontenan’ny Vondrona Eoropeanina ao amin’ny OSCE: “Manana ny zony daholo ny olona rehetra, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tokony hohajaina izany zo izany, na iza ilay olona na iza. Tafiditra amin’izany ny zo hifidy fivavahana na zavatra inoana, hanangana na hiditra ao amin’ny fikambanana ara-dalàna iray, hivory an-kalalahana, ary haneho hevitra. Voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia izany, [sady] efa nanaiky hanaja an’izany teo anatrehan’ny OSCE izy. Tafiditra amin’ny lalàna iraisam-pirenena izay tsy maintsy arahin’i Rosia koa izany.”

Nangataka an’i Rosia mba tsy hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah intsony Rtoa Nicola Murray, rehefa namarana ny fanambarana nataon’i Royaume-Uni.

Nampirisihin-dRtoa Lane Darnell Bahl i Rosia mba 1) hanajanona ny famotorana ny Vavolombelon’i Jehovah, 2) hamerina ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia amin’izy ireo, 3) ary hanafaka avy hatrany an’izay Vavolombelon’i Jehovah migadra rehetra.

Tsy vao izao no nisy fikambanana iraisam-pirenena manameloka an’i Rosia noho zavatra ataony amin’ireo rahalahintsika. Fantatr’i Rosia tsara izao fa hitan’ny fikambanana iraisam-pirenena ny fanenjehana mafy ataony amin’ny rahalahy sy anabavintsika. Ny tena zava-dehibe dia hoe afaka matoky isika fa hitan’i Jehovah ny zavatra mahazo an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. (Salamo 37:18) Azo antoka fa hitahy azy ireo foana io Raintsika be fitiavana io, satria miaritra sy tsy mivadika izy ireo sady be herim-po foana.—Salamo 37:5, 28, 34.

a Anisan’ny andraikitry ny OSCE ny miaro ny zon’olombelona. Ny Filan-kevitra Maharitra no tena manapa-kevitra eo anivon’ny OSCE.