Hijery ny anatiny

9 JONA 2020
ROSIA

Meloka Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy any Rosia

Meloka Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy any Rosia

Melohin’ny Fitsaran’i Pskov higadra enin-taona sy tapany ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy, 61 taona, ny talata 9 Jona 2020. Tonga dia nentina tany am-ponja izy raha vao niala teo amin’ny fitsarana. Ny azy no sazy lava indrindra azon’ny rahalahintsika, hatramin’ny nivoahan’ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampony Rosianina tamin’ny 2017, izay nandrara ny asantsika. Hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny Rahalahy Shpakovskiy.