Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy miaraka amin’i Anna vadiny

26 JANOARY 2021
ROSIA

Mety Higadra Efa-taona ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy Taorianan’ny Nanaovana Savahao ny Tranony Tany Birobidzhan

Mety Higadra Efa-taona ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy Taorianan’ny Nanaovana Savahao ny Tranony Tany Birobidzhan

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 2 Febroary 2021 a no havoakan’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ny didim-pitsarana mahakasika ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy. Mety higadra efa-taona izy.

Ilay voampanga

Artur Lokhvitskiy

  • Teraka: 1986 (Tany Belgorodskoye, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Fito taona i Artur dia maty ny dadany. Lasa elektrisianina, ary matihanina amin’ny famonoana afo. Nomena mari-pankasitrahana noho izy mpiasa mazoto

    Mbola kely i Artur dia efa nampianarin’ny reniny ho tia an’i Jehovah. Natao batisa izy tamin’ny 1998, tamin’izy 11 taona, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanambady an’i Anna izy tamin’ny 2018. Tena tia manao dia lavitra ry zareo, dia mandehandeha any ivelan’ny trano

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao savahao ny tranon-dry Artur mivady ny polisy tamin’ny Mey 2018, izany hoe telo volana taorian’izy ireo nivady. Anisan’ny planina efa maty paika nantsoina hoe “Andro Fitsarana” izy io, ary polisy 150 no nanao savahao tranona Vavolombelon’i Jehovah 22. Natao savahao koa ny tranon’i Irina, maman’i Artur. Nampangain’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tany Birobidzhan hoe mpanao heloka bevava i Artur, tamin’ny 31 Jolay 2019, satria nandray anjara tamin’ny asa “mahery fihetsika”, hono. Samy voampanga ho mpanao heloka bevava koa na i Anna na i Irina, fa raharaha samy hafa ny an-dry zareo.

Lasa sahirana ara-pivelomana be ireo fianakaviana ireo rehefa nomelohina hoe mpanao heloka bevava. Tsy navelan’ny manam-pahefana hiditra ao amin’ny kaontin’ny bankiny mantsy i Artur. Norahonan’ny mpampiasa azy koa izy hoe horoahina amin’ny asany.

Na ny fanaon-dry zareo andavanandro aza lasa voahelingelina, satria mbola mitohy ny fanadinadinana an-dry zareo noho ilay fiampangana. Hoy i Artur: “Niova tanteraka ny fahazaranay andavanandro. Lasa tsy afaka mandamina mialoha an’izay hatao mandritra ny herinandro izahay vokatr’ilay izy, ary na izay hatao mandritra ny andro aza. Miovaova foana ny fotoana iantsoan’ny [polisy] anay, nefa amin’ilay fotoana tsy ahafahanay iny mihitsy zareo no miantso. Tsy maintsy ovana foana àry ny fandaharam-potoananay.”

Tena mankasitraka ny fanohanan’ny mpiara manompo i Artur sy Anna. Hoy i Artur: “Tena manohana be anay ny rahalahy sy anabavy, na ara-pihetseham-po izany na ara-panahy. . . . Tsy misy teny mahalaza ny hafalianay hoe anisan’ny vahoakan’i Jehovah izahay, sady manana tombontsoa hiaro ny anaran’i Jehovah any amin’ireny fitsarana ireny! Tena tsy mahafoy ny azy tokoa i Jehovah!”

Anisan’ny nahatonga an-dry Lokhvitskiy hatanjaka sy ho be herim-po ilay ry zareo zatra nanao zavatra ara-panahy. Tsy hoe mora foana anefa izany. Taorianan’ilay “Andro Fitsarana”, dia “tsy nanana boky sy baiboly intsony izahay”, hoy i Artur. Nanahy ihany i Artur tamin’ny voalohany hoe ahoana izany no hataon’izy sy ny fianakaviany mba hahafahan-dry zareo manao zavatra ara-panahy foana. Tadidiny tampoka anefa ilay hoe: “Tsy afaka manakana antsika tsy hivavaka ny [FSB]. Tonga dia nivavaka àry izahay. Ny vavaka no tena nanampy be anay.”

Tonga dia novalian’i Jehovah ny vavaka nataon-dry zareo, dia nomeny an’izay nilainy ara-panahy ry zareo mba ho afaka hanohy ny fahazarany ara-panahy indray. Hoy i Artur: “Miezaka manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana hoatran’ny mahazatra izahay, manomana fivoriana, ary mamaky Baiboly miaraka. Tena nanampy anay hifankatia kokoa izany sady hahita fomba anampian’Andriamanitra anay. Lasa manana toe-tsainy tsara foana koa izahay.”

Ankoatra an’ilay hoe mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia tena nanampy an-dry zareo koa ny misaintsaina ny zavatra tsara be hitranga amin’ny hoavy. Hoy i Artur: “Lasa nisaintsaina kokoa momba ny zavatra ampanantenaina antsika amin’ny hoavy izahay, dia maka sary an-tsaina anay ao amin’ny tontolo vaovao.” Hozy koa izy hoe: “Te ho anisan’ny olona hanadio ny tany sy hanao trano izahay amin’izany. Tena nampahery sy nahafinaritra anay ny nieritreritra an’izany.”

Misaintsaina ny Hebreo 13:6 foana i Artur sy Anna mandra-pahatongan’izany. Izao no voalaza ao: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?” Hoy koa i Artur: “Izao ny anay no ifantohanay: ‘Na dia tsy avela manao zavatra betsaka aza izahay, ohatra hoe tsy avela mivory, ary na tsy avela miaraka aza, dia tsy mahavita misakana anay tsy hanao ny zavatra tena sarobidy indrindra aminay ry zareo, dia ny hoe hifandray amin’i Jehovah, hivavaka, ary hisaintsaina ny zavatra ampanantenaina amin’ny hoavy.”

a Mbola mety hiova.