20 NOVAMBRA 2020
ROSIA
Mety Higadra Enin-taona ny Rahalahy Sergey Ledenyov any Rosia
Datin’ny didim-pitsarana
Amin’ny 24 Novambra 2020 a no hamoaka didy momba ny Rahalahy Sergey Ledenyov ny Fitsaran’i Petropavlovsk-Kamtchatski any Kamtchatka. Mety higadra enin-taona izy raha hita hoe meloka.
Ilay voampanga
Sergey Ledenyov
Teraka: 1974 (Ossora, any Kamtchatka)
Mombamomba azy: Enina mianadahy. Tia manao sary sy maka sary. Mpandatsa-biriky sy mpametaka karô. Noheveriny fa tsy mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly sady efa lany andro, nefa niova ny fiheverany ny Baiboly rehefa nianatra azy io tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanambady an’i Anna tamin’ny 2017. Nilaza i Anna fa lasa tony sy be fitiavana i Sergey rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly
Mombamomba an’ilay raharaha
Nanao bemidina tao an-tranon’ny Rahalahy Ledenyov any Petropavlovsk-Kamtchatski ny polisy mitam-piadiana sy misaron-tava, tamin’ny 2 Desambra 2018. Notanana am-ponja izy ary nampangaina ho nandika ny Andininy faha-282.2 amin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia. Tamin’ny 28 Novambra 2019 no nanomboka ny fitsarana azy.
Naverin’ny Fitsaran’i Petropavlovsk-Kamtchatski ao Kamtchatka tany amin’ny fampanoavana ilay raharaha, tamin’ny 12 Desambra 2019. Matetika no averina toy izany ny raharaha rehefa misy olana lehibe mifandray amin’ilay fiampangana, ohatra hoe tsy ampy ny porofo. Novan’ny fitsarana ambony anefa io didy io, tamin’ny 4 Febroary 2020, ka nitohy indray ilay raharaha. Nandritra ny fitsarana iray taorian’izay, dia nanadinadina ny vadin’ny Rahalahy Ledenyov sy ny anabavy iray ny manam-pahefana, ary niezaka mafy izy ireo mba hanery azy roa vavy hanao vavolombelona mandainga hiampanga ny Rahalahy Ledenyov. Tsy nanaiky hatramin’ny farany anefa ny Ranabavy Ledenyov sy ilay anabavy iray.
Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny havan’ny Rahalahy Ledenyov, ary tsy azon’izy ireo hoe nahoana no enjehina noho ny finoany izy.
Mivavaka ho an-dry Ledenyov mivady isika, eo am-piandrasana ny didim-pitsarana. Matoky isika fa mitoetra amin’izy mivady ny fanahin’i Jehovah.—1 Petera 4:14.
a Mbola mety hiova.