Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Sergey Britvin sy Vadim Levchuk ao amin’ny efitra mitokana any amin’ny tribonaly

20 AOGOSITRA 2020
ROSIA

Mety Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Britvin sy Levchuk any Rosia

Mety Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Britvin sy Levchuk any Rosia

Datin’ny didim-pitsarana

Sazy mety ho azo

Migadra enin-taona sy tapany

Ireo voampanga

Sergey Britvin

  • Teraka: 1965 (Faritr’i Kemerovo)

  • Mombamomba azy: Efa am-polony taona no mpamily grue sy mpitondra kamiao. Nisotro ronono aloha kokoa satria tsy salama. Tia manao spaoro

  • Nanambady an’i Natalya tamin’ny 1992. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny 1995, rehefa nahafantatra hoe hanangana ny maty Andriamanitra. Lasa nianatra Baiboly koa i Natalya, taona maro tatỳ aoriana, rehefa nahita hoe tena nanam-pinoana i Sergey sady nahavita nanao fiovana tsara be dia be

Vadim Levchuk

  • Teraka: 1972 (Faritr’i Kemerovo)

  • Mombamomba azy: Tsy mpivavaka ny olona tao an-tranony. Mpitrandraka arintany no asany nandritra ny 14 taona

  • Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny 1992. Nanambady an’i Tatiana tamin’ny 1997. Manana zanaka roa lahy. Tena tia ny Baiboly ny fianakaviany. Tia manao spaoro sy manao fialam-boly hafa eny an-kalamanjana koa izy ireo

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano valo an’ireo rahalahintsika any Berezovsky ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 22 Jolay 2018. Notazonin’izy ireo sy nohadihadiny ny Rahalahy Britvin sy Levchuk vokatr’izany. Taorian’izay, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Kemerovo hoe tanana am-ponja vonjimaika izy ireo. Efa ho herintaona sy tapany izy ireo no nijanona tany. Navoaka izy ireo tamin’ny 25 Desambra 2019, dia nasaina nambenana ao an-tranony, ary mbola hoatr’izany hatramin’izao.

Ampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Britvin sy Levchuk, sy ny rahalahy telo hafa, any amin’ny faritr’i Kemerovo, noho izy ireo Vavolombelon’i Jehovah. Mahatsiaro an’ireo mpiara-manompo rehetra migadra any Rosia isika, ary mivavaka ho azy ireo. Milaza mantsy ny Hebreo 13:3 hoe: “Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja, toy ny hoe miara-mifatotra aminy ianareo. Tsarovy koa ireo ampijalina, satria ianareo koa aza mbola ao amin’ny nofo.”

a Mbola mety hiova