26 JANOARY 2021
ROSIA
Mety Higadra Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Vladimir Filippov, Izay 77 Taona
Datin’ny didim-pitsarana
Amin’ny 27 Janoary 2021 a ny Fitsaram-paritr’i Nadezhdinskiy any amin’ny Faritan’i Primorye no hamoaka ny didim-pitsarany momba ny Rahalahy Vladimir Filippov. Mety higadra enin-taona sy tapany izy.
Ilay voampanga
Vladimir Filippov
Teraka: 1943 (Oktyabrskiy, Faritr’i Novosibirsk)
Mombamomba azy: Maty tamin’ny Ady Lehibe II, taloha kelin’ny nahaterahany, ny dadany. Nianatra tany amin’ny Sekolin’i Tomsk Artillery, tamin’ny 1964, dia nivoaka manam-boninahitra. Nanambady an’i Lyubov, tamin’ny 1967. Niasa tao amin’ny tafika nandritra ny 27 taona, dia avy eo nisotro ronono
Nianatra Baiboly aloha ny vadiny dia taoriana kelin’izay izy no nianatra, izany hoe tamin’ny 1994. Samy natao batisa izy mivady herintaona taorian’izay
Mombamomba an’ilay raharaha
Nandray feo an-tsokosoko ny Rahalahy Filippov sy ny rahalahy hafa tany Razdolnoye ny manam-pahefana nanomboka tamin’ny Aogositra 2017. Volana maromaro mihitsy ny manam-pahefana no nanao an’izany, rehefa mandaha-teny any am-pivoriana sy miresaka momba ny Baiboly amin’ny olon-kafa i Vladimir.
Nanao bemidina tany an-tranon-dry Filippov ny mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tamin’ny 19 Jolay 2018. Nanao saro-tava ry zareo sady nitam-piadiana. Nasian-dry zareo totohondry i Vladimir, nefa efa 75 taona tamin’izay. Notereny hatory teo amin’ny tany izy avy eo, dia nofatorany tao an-damosiny ny tanany roa, ary nataony savahao ny tranony. Indroa no nanao bemidina tany an-tranon-dry Filippov ry zareo, izany hoe tamin’ny Aogositra 2019 sy Janoary 2020. Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Vladimir, taorianan’ilay nanaovana bemidina faharoa.
Enga anie ka homen’i Jehovah hery foana ny rahalahy sy anabavintsika mba hanam-pinoana sy ho falifaly foana!—Isaia 40:29, 31.
a Mbola mety hiova.