Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Terebilov sy Irina, vadiny

5 AOGOSITRA 2021
ROSIA

Mety Higadra Fanindiminy ny Rahalahy Dmitriy Terebilov, fa Izay vao hoe Noho ny Finoany

Mety Higadra Fanindiminy ny Rahalahy Dmitriy Terebilov, fa Izay vao hoe Noho ny Finoany

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataony

Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Dmitriy Terebilov, nefa nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Kostroma izany tamin’ny 12 Janoary 2022. Mbola migadra izy izao.

Zava-nitranga

  1. 6 Septambra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sverdlovskiy any Kostroma higadra telo taona i Dmitriy. Tonga dia naiditra am-ponja izy taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana

  2. 8 Septambra 2020

    Nanomboka ny fitsarana an’i Dmitriy

  3. 25 Mey 2020

    Nomelohina tamin’ny fomba ofisialy i Dmitriy, ary noferana ny toerana azony aleha

  4. 19 Septambra 2019

    Tsy nahazo naka ny volany tany amin’ny banky intsony i Dmitriy

  5. 13 Jona 2019

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Dmitriy satria hoe nizara boky sy gazety voarara sady nandray anjara tamin’ny fivorian’ny fikambanana voararan’ny fanjakana

  6. 25 Jolay 2018

    Natao savahao ny tranon’i Dmitriy. Izy mivady tamin’io mbola teny an-dalana hody avy namonjy fivoriambe tany Moldavia. Vao tonga tao an-trano izy ireo dia nosamborin’ny polisy sy nalainy am-bavany

Ilay voampanga

Faly i Dmitriy satria “haratsiratsin’ny olona noho ny anaran’i Kristy.” Matoky àry isika hoe “manana ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra” izy.​—1 Petera 4:14.