Hijery ny anatiny

Manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro, miainga avy eo ambony ankavia: Rahalahy Andrey Tabakov, Rahalahy Mikhail Zelenskiy, Rahalahy Mysin sy ny vadiny, Rahalahy Aleksandr Ganin, ary Rahalahy Khoren Khachikyan

2 OKTOBRA 2020
ROSIA

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Efatra sy ny Mpivady Iray any Rosia

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Efatra sy ny Mpivady Iray any Rosia

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 5 Oktobra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Zasviyajski, any amin’ny tanànan’i Oulianovsk, no hamoaka didy momba ny Rahalahy Aleksandr Ganin, Khoren Khachikyan, Andrey Tabakov, Mikhail Zelenskiy, ary ny Rahalahy Sergey Mysin sy Nataliya vadiny. Mety ho voaheloka higadra daholo izy ireo, ary mety haharitra telo ka hatramin’ny fito taona ny sazy ho azony. Nangataka koa ny fampanoavana mba halaina ny volan’izy ireo sy ny fiarany, izay mitentina 1,57 tapitrisa roubles (20 000 dolara amerikanina) raha atambatra.

Ireo voampanga

Aleksandr Ganin

  • Teraka: 1957 (tany Ekhabi, any amin’ny Nosin’i Sakhaline)

  • Mombamomba azy: Efa 20 taona mahery no Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Misotro ronono izao, ary tia mikarakara zaridaina

Khoren Khachikyan

  • Teraka: 1985 (tany Erevan, any Armenia)

  • Mombamomba azy: Manana diplaoma momba ny ekonomia. Nanao tolona tamin’izy tanora, ary nandray anjara tamina fifaninanana momba an’izany. Olona malemy fanahy sy tsara fanahy no ahafantarana azy

  • Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria te hahafantatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra sady te hanaraka ny fitsipiny. Tiany ilay hoe mitombina sy mifanaraka tsara ny zavatra lazain’ny Baiboly

Sergey Mysin

  • Teraka: 1965 (tany Koulebaki, any amin’ny Faritr’i Nijny Novgorod)

  • Mombamomba azy: Nihaona tamin’i Nataliya vadiny, tamin’izy nianatra mba ho lasa injeniera. Nivady izy ireo tamin’ny 1991. Efa 20 taona mahery izao izy ireo no manompo an’i Jehovah. Manan-janaka roa efa lehibe izy ireo. Tia manao spaoro, indrindra fa ny lacrosse

Nataliya Mysina

  • Teraka: 1971 (tany Leningrad, tanànan’i St-Pétersbourg amin’izao)

  • Mombamomba azy: Tao anaty fianakaviana miaramila no notezaina. Tany Alemaina no nipetraka, talohan’ny nahazoany diplaoma momba ny fivarotana fanafody. Tia mahandro sakafo sy manao gatô isan-karazany

Andrey Tabakov

  • Teraka: 1973 (tany Minsk, any Bélarus)

  • Mombamomba azy: Mahakasika ny ordinatera ny asany. Nanambady an’i Marina izy tamin’ny 2006. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary natao batisa tatỳ aoriana. Tia miasa amin’ny fitaovana elektronika, indrindra fa ny radio sy ny ordinatera

Mikhail Zelenskiy

  • Teraka: 1960 (Tany Bulaiesti, any Moldavia)

  • Mombamomba azy: Tantsambo sy mpitondra kamiao no asany taloha. Nanambady an’i Victoria tamin’ny 1989. Nanomboka nianatra Baiboly izy ireo tamin’ny taona 1990 tany ho any. Lasa tena tia an’i Jehovah izy ireo, ka natao batisa

Mombamomba an’ilay raharaha

Efa ho telo taona lasa izay, dia nanara-maso ny rahalahy sy anabavy tany Oulianovsk ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena any Rosia (FSB). Nihaino ny antso an-telefaonina nataon’ireo rahalahy, ohatra, izy ireo, sady nandray feo an’izany. Nanokatra fanadihadiana momba ny Rahalahy Mysin sy ny vadiny ary ny Rahalahy Khachikyan, Tabakov, ary Zelenskiy ny FSB, tamin’ny 24 Febroary 2019.

Nanao bemidina tany amin’ny tranon’ny Rahalahy Khachikyan, Tabakov, ary Zelenskiy ny manam-pahefana, telo andro taorian’izay, tamin’ny dimy ora maraina. Nisy niantso tamin’ny telefaonina koa ny Ranabavy Mysina, tamin’iny maraina iny ihany. Nilaza ilay olona niantso azy hoe simba be ny fiaran’izy ireo ka tokony hivoaka ny trano izy sy Sergey vadiny. Vao nanokatra ny varavarana anefa ny Rahalahy Mysin, dia niditra an-keriny tao amin’ilay trano ny polisy avy amin’ny FSB. Nataon’izy ireo savahao ilay trano, ary nalain’izy ireo ny fitaovana elektronika rehetra tao. Nosamborina izy mivady avy eo.

Notazonina am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Mysin ny ampitson’iny, araka ny didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Leninsky, any amin’ny Faritr’i Oulianovsk. Nambenana tao an-tranony kosa ny Ranabavy Mysina sy ireo rahalahy telo hafa.

Notazonina am-ponja vonjimaika nandritra ny 55 andro ny Rahalahy Mysin, ary nambenana tao an-tranony nandritra ny 123 andro. Nambenana tao an-tranony nandritra ny 50 ka hatramin’ny 55 andro kosa ny Ranabavy Mysina sy ny Rahalahy Khachikyan, Tabakov, ary Zelenskiy.

Nanao savahao ny tranon’ny Rahalahy Ganin ny polisy avy amin’ny FSB tamin’ny 15 May 2019, ary nisambotra azy. Notazonina am-ponja vonjimaika izy nandritra ny roa andro.

Efa raran’ny fanjakana tsy hanao zavatra sasany izy enina mianadahy, nefa mbola enjehina amin’ny fomba hafa ihany koa. Tsy avelan’izy ireo maka ny volany any amin’ny banky, ohatra, ny Rahalahy Mysin sy ny vadiny ary ny Rahalahy Tabakov. Mitentina 500 000 roubles (6 313 dolara amerikanina) eo ho eo ny volan’ny Rahalahy Mysin sy ny vadiny any, ary 600 000 roubles (7 575 dolara amerikanina) eo ho eo kosa ny volan’ny Rahalahy Tabakov.

Enjehina noho ny finoany ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Mivavaka àry isika mba hampahery azy ireo foana ity tenin’ny mpanao salamo ity: “Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.”—Salamo 46:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mbola mety hiova