Hijery ny anatiny

Rahalahy Igor Ivashin

27 MARTSA 2020
ROSIA

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Igor Ivashin any Rosia

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Igor Ivashin any Rosia

Amin’ny 31 Martsa 2020 ny Fitsaram-paritr’i Lensky, any amin’ny Repoblikan’i Sakha no hamoaka didy momba ny Rahalahy Igor Ivashin. Mangataka ny hanagadrana azy fito taona ny mpampanoa lalàna.

Nanome alalana ny polisy haka feo ny antso an-telefaonina ataon’ny Rahalahy Ivashin ny Fitsarana any Iakoutsk, tamin’ny Febroary 2018. Volana vitsivitsy taorian’izay dia nanao bemidina tany amin’ny trano valo ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana. Tafiditra amin’izany ny tranon’ny Rahalahy Ivashin. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy sy ny Vavolombelona 21 ary nalaina am-bavany. Nilaza ny mpampanoa lalàna fa nikarakara ny asan’ny fikambanana “mampidi-doza” ny Rahalahy Ivashin.

Naverina tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ilay fiampangana, tamin’ny Novambra 2019, satria tsy ampy ny porofo ilazana fa nanao heloka bevava ny Rahalahy Ivashin. Nampakariny indray anefa ilay raharaha ka niverina tany amin’ny fitsaram-paritra. Nanomboka tamin’ny voalohandohan’ny volana Febroary 2020 ny fihainoana an’ilay raharaha.

Manan-janaka roa vavy ny Rahalahy Ivashin sy Natalia vadiny. Efa hifarana izao ilay fitsarana ka mivavaka isika mba hahavita “hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana” izy mianakavy kely.—Kolosianina 1:11.