Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Yevgeniy Spirin ao anaty efitra kely ao amin’ny tribonaly

9 JOLAY 2020
ROSIA

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Yevgeniy Spirin any Rosia

Mety Higadra Fito Taona ny Rahalahy Yevgeniy Spirin any Rosia

Mety amin’ny 14 Jolay 2020 ny Fitsarana any Furmanovsky, any amin’ny faritr’i Ivanovo, dia efa hamoaka didim-pitsarana amin’ilay raharaha mahakasika ny Rahalahy Yevgeniy Spirin. Mangataka ny hanagadrana azy fito taona ny mpampanoa lalàna.

Ampangaina ho niandraikitra ny asan’ny fikambanana iray “mampidi-doza” ny Rahalahy Spirin, izay 34 taona. Mpanao fanadihadiana iray ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) no nanomboka ny fiampangana azy, tamin’ny 21 Janoary 2019. Enina andro taorian’izay, dia nanao bemidina tao amin’ny tranon’ny Rahalahy Spirin sy Natalya vadiny ireo anisan’ny FSB. Nasain’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrsky notazonina am-ponja vonjimaika nandritra ny roa volana, fara fahakeliny, ny Rahalahy Spirin, satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy. Nitarina avy eo ny fotoana nitazonana azy am-ponja.

Nafahana tao am-ponja izy tamin’ny 5 Jolay 2019, rehefa avy nigadra 160 andro. Nasaina nambenana tao an-tranony ihany anefa izy. Na dia tsy nanaiky aza ireo mpanao fanadihadiana, dia nandidy ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrsky, tamin’ny 18 Desambra 2019, hoe tsy tokony hambenana ao an-tranony intsony ny Rahalahy Spirin. Tsy nisy sazy hafa nomena azy taorian’izay.

Mivavaka isika mba hanohana an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia foana i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana. Matoky isika fa tena hanampy azy ireo izy.—1 Petera 4:14.