Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Rahalahy Roman Markin sy Viktor Trofimov, tamin’izy ireo mbola tsy nosamborina

17 JANOARY 2020
ROSIA

Mety Higadra Hatramin’ny Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Markin sy Trofimov

Mety Higadra Hatramin’ny Enin-taona sy Tapany ny Rahalahy Markin sy Trofimov

Hivoaka amin’ny 22 Janoary 2020 ny didim-pitsarana mahakasika ny Rahalahy Roman Markin sy Viktor Trofimov. Nangatahin’ny mpampanoa lalàna ny fitsarana mba hanagadra azy mirahalahy hatramin’ny enin-taona sy tapany.

Tamin’ny 18 Aprily 2018 no nanomboka ny fanenjehana azy ireo, rehefa niditra an-keriny tany an-tranony, tany Polyarny, any Rosia, ny polisy manokana mitam-piadiana sy misaron-tava. Efa alina be izy ireo no tonga tao an-tranon’ny Rahalahy Markin ary notereny hovohana ny varavarana ka simba. Nambanany tamin’ny basy ny Rahalahy Markin ary notereny hihohoka amin’ny tany mandra-panaon’izy ireo savahao ny tranony. Tonga dia nihohoka tamin’ny tany koa ny zanakavavin’ny Rahalahy Markin 16 taona ary nosaronany tamin’ny tanany ny lohany.

Ankoatra ny tranon’izy ireo dia nisy trano efatra an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Polyarny koa nanaovana bemidina, tamin’io alina io. Rahalahy sy anabavy folo mahery no nentina tany amin’ny paositry ny polisy mba halaina am-bavany, anisan’izany ny Rahalahy Markin sy Trofimov. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Polyarny any Mourmansk, taorian’izay, hoe tanana am-ponja vonjimaika izy roa lahy. Nijanona tany efa ho enim-bolana izy ireo ary avy eo nambenana tao an-tranony efa-bolana. Namoaka didy ny fitsarana tamin’ny 7 Febroary 2019 hoe tsy ambenana ao an-tranony intsony izy ireo. Na izany aza, dia mbola tsy afaka manao dia lavitra izy ireo ary ferana ny fifandraisany amin’olona, mandra-piandry ny didim-pitsarana azy ireo.

Vavolombelon’i Jehovah efa ho 300 izao no ampangaina ho mpanao heloka bevava, any Rosia. Mivavaka ho azy ireo isika mba hanana herim-po sy hatanja-tsaina foana izy ireo. Matoky koa isika hoe tsy misy hahasaraka azy ireo amin’ny fitiavan’i Jehovah.—Romanina 8:38, 39.