Hijery ny anatiny

Rahalahy Vitaliy Popov sy Natalya, vadiny

20 MEY 2021
ROSIA

Mety Higadra Noho ny Finoany ny Rahalahy Vitaliy Popov

Mety Higadra Noho ny Finoany ny Rahalahy Vitaliy Popov

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Fanindroany Nataon’i Vitaliy Popov

Nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahavalo ny fampakarana fitsarana fanindroany nataon’ny Rahalahy Vitaliy Popov, tamin’ny 16 Febroary 2022. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izy izao.

Nolavin’ny fitsaram-paritr’i Novossibirsk ny fampakarana fitsarana nataon’i Vitaliy, tamin’ny 23 Jolay 2021. Mbola mihatra aminy àry ilay sazy mihantona telo taona.

Nomelohin’ny fitsaram-paritr’i Leninski, any Novossibirsk, i Vitaliy tamin’ny 21 Mey 2021. Sazy mihantona telo taona no azony.

Ilay voampanga

Vitaliy Popov

  • Teraka: 1967 (Novossibirsk)

  • Mombamomba azy: Elektrisianina sy mpanao sodira no asany. Miaramila tao amin’ny tafika sovietika. Tia manao ski, baolina kitra, voley, ary tia mihira. Manana rahalahy roa sy anabavy roa. Maty ny zokiny lahy sy ny zokiny vavy tamin’i Vitaliy mbola tanora. Lasa nanana fanontaniana be dia be momba ny fahafatesana sy ny hoavy izy, vokatr’izany

    Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1990 tany ho any. Nahafa-po azy ny valin’ilay fanontaniana hoe nahoana ny olona no maty. Nanohina ny fony koa ny nahita hoe mifankatia sy mifanaja ary mifanohana ny Vavolombelona. Natao batisa tamin’ny 1994. Nanambady an’i Natalya tamin’ny 2011

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangain’ny manam-pahefana ho mpanao heloka bevava i Vitaliy tamin’ny 27 Jona 2019. Nanao bemidina tany an-tranony ny polisy tamin’ny 9 Aprily 2020. Nentin’izy ireo avy eo i Vitaliy, ary nalaina am-bavany adiny efatra mahery.

Nampidirina tao anatin’ilay lisitry ny olona “mampidi-doza” i Vitaliy. Tsy afaka mampiasa ny volany any amin’ny banky izy, vokatr’izany. Noterena hiala tamin’ny asany izy, roa volana tatỳ aoriana. Lasa sahirana be ara-bola àry ny fianakaviany.

Mikarakara an’i Vitaliy sy ny fianakaviany foana i Jehovah. Hoy i Vitaliy: “Manome an’izay rehetra ilainay izy, na ara-panahy izany, na ara-batana, na ara-pihetseham-po. Misaotra an’i Jehovah izahay mianakavy satria ampiany, dia lasa vitanay ny miatrika ny olana mahazo anay. Tony sy falifaly foana koa izahay.”

Inona no tena nanampy an’i Vitaliy hiaritra? Hoy izy: “Lasa nifandray akaiky be tamin’i Jehovah aho rehefa zatra nanao zavatra ara-panahy. Vao mainka tena nisy izy tamiko. Nianatra ny hatoky azy aho na inona na inona mitranga.” Anisan’ny zavatra ara-panahy fanaon’i Vitaliy ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, fanatrehana fivoriana sy fandraisana anjara amin’izany, fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, ary vavaka vokatry ny fo. Hoy izy: “Raha tsy zatra nanao an’ireo aho, dia mino aho fa tsy ho vitako ny hoe hatoky an’i Jehovah sy hiaritra ny fitsapana nahazo ahy.”

Mivavaka ho an’i Vitaliy isika eo am-piandrasana ny didim-pitsarana momba azy. Tena be herim-po ny rahalahy sy anabavintsika rehetra any Rosia ka miaritra fanenjehana. Fantatsika hoe hampahery azy ireo foana i Jehovah, “ilay manome hery” antsika.​—Filipianina 4:13.