8 OKTOBRA 2020
ROSIA
Mety Higadra Telo Taona sy Tapany ny Rahalahy Anatoliy Tokarev any Rosia
Datin’ny didim-pitsarana
Amin’ny 23 Oktobra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Oktiabrski, any Kirov, no hamoaka didy momba ny Rahalahy Anatoliy Tokarev. Mety higadra telo taona sy tapany izy.
Ilay voampanga
Anatoliy Tokarev
Teraka: 1958 (tany Baranovskaya, any amin’ny faritr’i Kirov)
Mombamomba azy: Ny reniny no nitaiza azy. Injeniera mpamorona programa amin’ny ordinatera ary efa misotro ronono. Tia maka sary sy milalao échecs ary mitendry angorodao. Nanambady an’i Margarita tamin’ny 1979 ary roa ny zanak’izy ireo.
Lasa tsy nino an’Andriamanitra rehefa nianatra momba ny siansa. Nanomboka nianatra Baiboly anefa izy tamin’izy 27 taona ary hitany hoe mifanaraka amin’ny siansa ny fampianaran’ny Baiboly.
Mombamomba an’ilay raharaha
Nanao bemidina tao an-tranon-dry Tokarev ny polisy rosianina miady amin’ny asa fampihorohoroana, tamin’ny 24 Mey 2019. Nataon’izy ireo famotorana ny Rahalahy Tokarev. Nandrahona koa ry zareo hoe hanenjika ny fianakavian’ny Rahalahy Tokarev raha tsy mety miaiky izy hoe nanao zavatra mampidi-doza. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ny Rahalahy Tokarev avy eo mba hanaovana famotorana.
Nampangaina ho nanao heloka bevava ny Rahalahy Tokarev, dimy volana tatỳ aoriana, ka andininy roa ao amin’ny Lalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava no nentina hiampangana azy. Nolazaina fa mamatsy vola ho an’ny fikambanana iray mampidi-doza izy. Nanisy fandraisam-peo miafina tao an-tranon-dry Tokarev koa ny polisy, dia ireny no nampiasainy mba hilazana hoe mandamina fivoriana i Anatoliy mba hianarana amin’ny boky efa norarana satria mampidi-doza.
Mivavaka ho an’ny Rahalahy Tokarev sy ny fianakaviany isika. Matoky isika hoe ‘tsy hivadika’ amin’izy ireo i Jehovah.—Salamo 18:25.
a Mbola mety hiova