Hijery ny anatiny

Rahalahy Yuriy Savelyev tao amin’ny efitra kely ao amin’ny tribonaly, tamin’ny 26 Aogositra 2020

11 DESAMBRA 2020
ROSIA

Mety Higadra Valo Taona ny Rahalahy Yuriy Savelyev, Izay Efa Notanana Am-ponja Roa Taona Mahery

Mety Higadra Valo Taona ny Rahalahy Yuriy Savelyev, Izay Efa Notanana Am-ponja Roa Taona Mahery

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 16 Desambra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Novossibirsk no hamoaka didy momba ny Rahalahy Yuriy Savelyev. Nangataka ny fampanoavana mba hogadraina valo taona izy. Raha migadra valo taona tokoa izy, dia izany no ho sazy lava indrindra ampiharina amin’ny rahalahintsika any Rosia, hatramin’ny nivoahan’ilay didin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017.

Ilay voampanga

Yuriy Savelyev

  • Teraka: 1954 (Krokhalyovka, any Novossibirsk)

  • Mombamomba azy: Maty ny reniny tamin’izy mbola kely. Ny anabaviny no nitaiza azy. Mikarakara fantsona any amin’ny orinasa mpamokatra angovo no asany. Liana tamin’ny fivavahana taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Tsapany hoe marina izay voalazan’ny Baiboly rehefa nikaroka ny valin’ny fanontaniany tao izy. Natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1996

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanaovan’ny polisy bemidina ny tranony sy ny trano sivy hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritr’i Novossibirsk, tamin’ny 8 Novambra 2018. Nosamborina i Yuriy ary notanana am-ponja vonjimaika.

Nampangaina ho nandamina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanànany i Yuriy. Nohalavaina intsivy ny fotoana nitanana azy am-ponja vonjimaika, na dia imbetsaka aza izy no nangataka ny hafahana. Efa roa taona mahery izay no nigadrany. Hatramin’ny nivoahan’ilay didin’ny Fitsarana Tampony Rosianina tamin’ny 2017, dia ny Rahalahy Dennis Christensen sy Sergey Klimov no nigadra ela indrindra, ary ny Rahalahy Savelyev no manarakaraka azy ireo.

Rehefa namarana ny teniny teo anatrehan’ny fitsarana i Yuriy, tamin’ny alarobia 9 Desambra 2020, dia be herim-po izy nilaza tamin’ny mpitsara hoe: “Tsy ampangaina ho nanao heloka bevava aho eto amin’ity fitsarana ity, fa ampangaina satria manaraka ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Tsy manana olana amin’iza na iza aho, ary hatramin’izay 67 taona niainako izay dia mbola tsy nampangaina ho nanao heloka bevava mihitsy aho. Tsy manao politika aho. Ny tiako holazaina dia hoe manohitra ny herisetra amin’ny endriny rehetra aho, na am-bava izany, na ara-tsaina, na ara-batana.

“Mankatò an’Andriamanitra aho ka manaja ny olona rehetra, na inona na inona toerana misy azy, na fiaviany, na fivavahany.

“Mampirisika ny olona mba hanaja ny manam-pahefana koa ny Tenin’Andriamanitra. Izao no lazainy ao amin’ny Romanina 13:1-3: ‘Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.’

“Tsy manohitra ny manam-pahefana aho satria tsy te hanohitra an’Andriamanitra. Raha manohitra an’Andriamanitra mantsy ny olona iray dia ho faty. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nahalalako an’ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy zanany. Ny Vavolombelon’i Jehovah koa no naharesy lahatra ahy hoe hafa mihitsy ny Soratra Masina, dia ny Baiboly. Azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika manontolo izay voalaza ao.”

Mampahery antsika ny mahafantatra hoe matanjaka tsara ny finoan’i Yuriy ary hita hoe tahin’i Jehovah izy ka milamin-tsaina foana.—Isaia 26:3.

a Mbola mety hiova.