Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Maslov sy Yuliya, vadiny

18 MARTSA 2021
ROSIA

Mety Higadra ny Rahalahy Dmitriy Maslov Satria Niresaka Momba An’Andriamanitra sy ny Baiboly Izy sy ny Namany

Mety Higadra ny Rahalahy Dmitriy Maslov Satria Niresaka Momba An’Andriamanitra sy ny Baiboly Izy sy ny Namany

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk ny fampakarana fitsarana nataon’i Dmitriy, tamin’ny 5 Oktobra 2021. Tsy miova àry ilay lamandy azony tamin’ny voalohany.

Nomelohin’ny Fitsaran’i Minusinsk any amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk ny Rahalahy Dmitriy Maslov, tamin’ny 2 Jona 2021. Nasaina nandoa lamandy 450 000 rouble (22 tapitrisa ariary mahery) izy.

Ilay voampanga

Dmitriy Maslov

  • Teraka: 1976 (Minusinsk)

  • Mombamomba azy: Ny mamany irery no nitaiza azy sy ny zandriny mianadahy. Nahazo diplaoma momba ny fiompiana tantely tao amin’ny sekoly fianarana asa. Mikarakara fantsona no asany izao. Tia mitaingina bisikileta, manao antsitrika any an-dranomasina, ary mitendry angorodao

    Mbola kely dia efa nieritreritra an’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Nahazo valiny mazava sy naharesy lahatra tao amin’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1994. Rehefa nantsoina hanao miaramila dia nangataka hanao fanompoana sivily satria tsy nety tamin’ny feon’ny fieritreretany ilay izy. Nanambady an’i Yuliya tamin’ny 1997

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany an-tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah dimy any Minusinsk ny miaramila anisan’ny Komity Mpanao Famotorana sy ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), ny harivan’ny 19 Aprily 2019. Naratra ny rahalahy iray 76 taona nandritra an’ilay bemidina satria natosika hidaboka amin’ny tany. Rahalahy sy anabavy 30 mahery no notanana mba hatao famotorana ary nalefa nody avy eo. Tsy ela taorian’izay dia nampangaina ho mpanao heloka bevava i Dmitriy. Nolazaina fa “heloka” lehibe vitany ny hoe nitondra ny namany nianika tendrombohitra, dia nandritra an’ilay fotoana ry zareo niresaka momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly.

Tsy mahazo mivoaka ny faritra misy azy izao i Dmitriy, ary miandry ny valin’ny fitsarana azy. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny maman’i Dmitriy, nefa mahatsapa hoe tsy rariny ny fiampangana an’i Dmitriy sady tsy mendrika ny hatao hoatran’ny mpanao heloka bevava izy. Resy lahatra aza izy hoe ny fivavahana arahin’io zanany lahy io no “fivavahana milamina indrindra.”

Mampionona sy manome herim-po an’i Dmitriy ny mahafantatra hoe ‘mampiasa ny heriny mba hanampiana’ ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah.​—2 Tantara 16:9.