Hijery ny anatiny

Ranabavy Anastasiya Guzeva sy Konstantin vadiny

2 APRILY 2021
ROSIA

Mety Hogadraina Noho ny Finoany ny Ranabavy Anastasiya Guzeva

Mety Hogadraina Noho ny Finoany ny Ranabavy Anastasiya Guzeva

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Anastasiya Guzeva, tamin’ny 2 Desambra 2021. Mbola manan-kery àry ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Ranabavy Guzeva, tamin’ny 19 Aogositra 2021. Sazy mihantona roa taona sy tapany no nomena azy.

Ilay voampanga

Anastasiya Guzeva

  • Teraka: 1979 (Birobidzhan)

  • Mombamomba azy: Ny mamany irery no nitaiza azy sy ny anadahiny roa. Tia namaky boky sy nanao spaoro ary nandihy, tamin’ny mbola kely. Nahita Baiboly tao amin’ny tranon’ny bebeny izy tamin’izy folo taona, ka lasa te hianatra momba an’Andriamanitra. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny mamany tatỳ aoriana. Niara-natao batisa izy mianaka tamin’ny 1995. Nanambady an’i Konstantin tamin’ny 2001

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tao amin’ny tranon’i Anastasiya sy Konstantin ny manam-pahefana rosianina tamin’ny Mey 2018. Nampangaina ho olona “mampidi-doza” i Konstantin tamin’ny Jolay 2019, ary i Anastasiya tamin’ny Febroary 2020. Raharaha 19 no iampangana Vavolombelona 23 any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy.

Nisy vokany be tamin’ny fiainan’i Anastasiya sy Konstantin ilay fiampangana azy ireo. Tsy maintsy niala tamin’ny sekoly nampianarany mozika izy roa satria nolazaina hoe olona “mampidi-doza.” Nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany i Konstantin tamin’ny Febroary 2021.

Izao no nolazain’i Anastasiya hoe nanampy azy hiaritra: “Tsara kokoa raha efa ataonao ao an-tsaina hoe tsy maintsy henjehina ianao sady eritreretinao mialoha hoe inona no hataonao rehefa misy olana. Rehefa mamaky ny zava-nitranga tamin’i Jesosy tamin’ny andro farany niainany teto an-tany, ohatra, ianao dia hitanao hoe tsy maintsy efa nieritreritra izy hoe inona no hataony rehefa hosamborina izy, ... rahoviana izy no mila miteny na mangina fotsiny, sy ny hoe inona no holazainy raha tsy maintsy hamaly izy.”

Nilaza koa i Anastasiya hoe tena mampahery be azy ny voalazan’ny Romanina 8:38, 39 amin’izao fotoana izao. Hoy izy: “Misy antony tena mahafaly voalaza ao. I Jehovah sy Jesosy no mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao. Tia ahy ry zareo ary tsy misy afaka manakana an’izany. Dia izany no mahatonga ahy hahavita hiaritra sy ho be herim-po.”