Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Valentina Suvorova sy Vladimir vadiny

9 MARTSA 2021
ROSIA

Mety Homelohina Noho ny Finoany ny Anabavy Iray Telo Amby Fitopolo Taona

Mety Homelohina Noho ny Finoany ny Anabavy Iray Telo Amby Fitopolo Taona

Datin’ny didim-pitsarana

Tsy ho ela dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Anabavy Valentina Suvorova ny Fitsaram-paritr’i Metallurgichesky any Tcheliabinsk. a Mbola tsy fantatra ny sazy hangatahin’ny mpampanoa lalàna hoe hampiharina aminy.

Ilay voampanga

Valentina Suvorova

  • Teraka: 1948 (tany Sorovskoye, Faritr’i Kourgan)

  • Mombamomba azy: Misotro ronono izy izao. Nampianatra mozika tao amin’ny sekoly anankiray fianarana mozika tao Tcheliabinsk izy. Tia manao zaridaina, mandihy, ary tia mihaino mozika

    Nanambady an’i Vladimir izy tamin’ny 1973. Matin’ny kansera i Igor zanany lahy taona maro lasa izay. Maty vao haingana koa ny mamany sy ny rahavaviny

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy polisy nirongo fiadiana nanao bemidina ny tranon’ny mpiara-manompo amintsika any Tcheliabinsk sy Yemanzhelinsk, tamin’ny 26 Martsa 2019. Trano 20 mahery no nataon’izy ireo savahao tamin’izay. Rehefa avy nanao famotorana ela be ny manam-pahefana, dia nampangain’izy ireo ho mpanao heloka bevava i Valentina, izay 73 taona, tamin’ny 5 Desambra 2019. Namaky Baiboly sy niresaka momba ny zavatra inoany tamin’ny olon-kafa, hono, ny heloka vitany. Tsy mahazo manao dia lavitra izy amin’izao. Ampangaina ho mpanao heloka bevava noho ny zavatra inoany koa i Vladimir.

Tadidin’i Valentina ny zavatra nitranga rehefa nisy polisy nirongo fiadiana tonga tao amin-dry zareo. Mbola natory ry zareo tamin’izay. “Tsy afaka nisasa na nibango volo na nisolo akanjo akory izahay tamin’izany. Tonga dia nataon-dry zareo ambony ambany ny trano ary nataon-dry zareo savahao. Nosavan-dry zareo na ny fitoeran’entana, na ny fitoeran’ny firavaka, na ny poketra fasiana vola, na ny paosy. ... Nosavan’izy ireo koa ny tao am-bilany. Na ny ridao sy ny fandriana aza nosavan-dry zareo. Ny zava-drehetra tao an-trano mihitsy e!”

Efa be taona i Valentina ary tsy dia salama. Niasa saina àry izy hoe sao dia vao mainka hankarary azy ilay fanenjehana.

Nolazain’i Valentina hoe ny fahazarany mianatra Baiboly no hoatran’ny hoe manda niaro azy. Hozy hoe: “Nanao teny vakina foana aho isan’andro ary nosaintsainiko sy nampihariko izay voalaza tao. Dia izany no nanampy ahy hiatrika an’ilay zava-tsarotra.”

Nolazain’i Valentina koa hoe raha te hiaritra, dia tena zava-dehibe ny manomana tsara ny fivoriana sy manatrika an’izany. Ilaina koa ny mianatra samirery sy manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana. Hozy hoe: “Mianatra zava-baovao foana aho isaky ny mandeha mivory, dia ezahiko hampiharina ireny.” Faly koa izy fa mahatsiaro ho maivamaivana rehefa avy manao vavaka vokatry ny fo. Hozy hoe: “Misaotra an’Andriamanitra foana aho fa manampy an’ahy izy.”

Ankoatra izany, dia izao ny zavatra ezahin’i Valentina hotadidina sy hampahatsiahivina ny olon-kafa: “Tsy misy tokony hatahorana. Aza mivadika mihitsy fotsiny dia miezaha hanana finoana matanjaka. Tadidio koa izay voalaza ao amin’ny Matio 6:33 sy ny 2 Korintianina 1:3, 4.”

Hita hoe tena iainan’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia, anisan’izany i Valentina sy Vladimir, ilay voalaza ao amin’ny Salamo 64:10 hoe: “Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy; hiravoravo daholo ny mahitsy fo.”

a Tsy voatery ho fantatra mialoha foana ny daty hivoahan’ny didim-pitsarana.