Hijery ny anatiny

Rahalahy Polyakov sy ny vadiny (ankavia), Ranabavy Bektemirova (ambony ankavanana), ary Ranabavy Dyusekeyeva (ambany ankavanana)

25 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Mety Homelohina ho Mpanao Heloka Bevava Ilay Mpivady Voalohany Notanana Am-ponja Vonjimaika any Rosia sy ny Anabavy Roa Hafa

Mety Homelohina ho Mpanao Heloka Bevava Ilay Mpivady Voalohany Notanana Am-ponja Vonjimaika any Rosia sy ny Anabavy Roa Hafa

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 21 Oktobra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Omsk no hamoaka didy momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Sergey Polyakov sy Anastasia vadiny, ary ny Ranabavy Gaukhar Bektemirova sy Dinara Dyusekeyeva. Nangataka ny fampanoavana hoe hogadraina enin-taona sy tapany ny Rahalahy Polyakov. Sazy mihantona roa taona avy kosa no mety ho azon’ireo anabavy.

Ireo voampanga

Sergey Polyakov

  • Teraka: 1972 (tany amin’ny faritr’i Mourmansk)

  • Mombamomba azy: Nianatra teny amin’ny oniversite, ary lasa mpahay fizika. Nanambady an’i Anastasia tamin’ny 2003

Anastasia Polyakova

  • Teraka: 1984 (tany amin’ny faritr’i Mourmansk)

  • Mombamomba azy: Nianatra lalàna teny amin’ny oniversite. Tia mianatra fiteny izy sy Sergey, anisan’izany ny teny sinoa, kazakh, tenin’ny tanana rosianina, ary serba

Gaukhar Bektemirova

  • Teraka: 1976 (tany Uryl, any Kazakhstan)

  • Mombamomba azy: Enina ry zareo no mpiray tam-po, dia izy no zandriny indrindra. Tany amin’ny toerana be tendrombohitra any Kazakhstan izy no nihalehibe, ary tia zavaboary hatramin’izay. Efa an-taonany maro izy no te hahafantatra hoe fa maninona ny olona no misy. Tena nitombina sady nahafa-po azy ny valiny hitany tao amin’ny Baiboly. Zatra mandalina ny Tenin’Andriamanitra izy, dia izay no mampahery sy mampionona azy amin’izao izy tanana am-ponja izao

Dinara Dyusekeyeva

  • Teraka: 1982 ( tany Leningradskoye, any Kazakhstan)

  • Mombamomba azy: Nieritreritra be hoe fa maninona ny olona no misy tamin’izy mbola kely. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’izy 17 taona. Tena faly rehefa nahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly sy nahafantatra ny anaran’i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly. Tia manao baskety, manao voley, mihazakazaka, ary mitondra bisikileta

Mombamomba an’ilay raharaha

Mbola natory ny Rahalahy Polyakov sy ny vadiny, rehefa namaky ny varavaran’ny tranon-dry zareo sy niditra an-keriny tao ny polisy maromaro, tamin’ny 4 Jolay 2018. Nisy polisy nisaron-tava nidaroka ny Rahalahy Polyakov tamin’izay. Nosamborina izy mivady avy eo, ary notanana am-ponja vonjimaika. Ry zareo no mpivady voalohany nogadraina, taorian’ilay didin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017, izay mandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Samy natoka-monina izy roa nandritra ny dimy volana, ka tsy afaka nihaona. Niaraka nambenana tao an-tranony indray izy ireo avy eo, nandritra ny telo volana.

Niverina nanao bemidina tsy ara-dalàna tany amin’ny trano maro ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny Faritr’i Omsk, ny manam-pahefana, tamin’ny Mey 2019. Tamin’izay no nosamborina ny Ranabavy Bektemirova sy Dyusekeyeva. Nampiarahina tamin’ny an-dry Polyakov mivady ny fiampangana azy ireo. Tamin’ny 1 Aprily 2020 no nanomboka ny fitsarana azy efatra mianadahy.

Matoky isika fa hanome hery ho an’ny mpanompony i Jehovah, mba hahavita hiaritra izy ireo na dia iharan’ny tsy rariny aza.—Efesianina 3:20.

a Mbola mety hiova