Hijery ny anatiny

Ranabavy Yelena Barmakina sy Dmitriy vadiny

28 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Mety Homelohina ho Mpanao Heloka Bevava ny Ranabavy Yelena Barmakina Satria Nivavaka sy Namaky Baiboly

Mety Homelohina ho Mpanao Heloka Bevava ny Ranabavy Yelena Barmakina Satria Nivavaka sy Namaky Baiboly

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 29 Septambra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, no hamoaka ny didim-pitsarana momba ny Ranabavy Yelena Barmakina. Mety hahazo sazy mihantona telo taona izy. Mandra-piandry an’izany, dia mitohy ny fitsarana ny raharaha mahakasika an’i Dmitriy vadiny.

Ilay voampanga

Yelena Barmakina

  • Teraka: 1967 (tany Tcherepanovo, any amin’ny faritr’i Novosibirsk)

  • Mombamomba azy: Izy no tena mikarakara ny bebeny sy ny ray aman-dreniny efa be taona. Tia maka sary, ary lasa izay mihitsy no asany. Tia milomano sy mandehandeha

  • Rehefa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita hoe ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Lasa niaiky hoe tena mahery Andriamanitra. Vao mainka nitombo ny finoany rehefa hitany hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah. Nanambady an’i Dmitriy, tamin’ny 2003

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy polisy maromaro nisaron-tava sy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tranon’ny beben’ny Ranabavy Yelena Barmakina, tamin’ny 28 Jolay 2018, tamin’ny 7 ora maraina. Tao amin’ilay trano ny Ranabavy  Barmakina sy Dmitriy vadiny tamin’izay, satria nikarakara ny bebeny, izay efa 90 taona. Nosamborina ny Rahalahy Barmakin ary notazonina am-ponja vonjimaika. Nandrahona ny Ranabavy Barmakina ny manam-pahefana tamin’izay hoe: “Ianao indray no manaraka!”

Tsy afaka naka vola avy tao amin’ny kaontiny amin’ny banky intsony ny Ranabavy Barmakina, herintaona taorian’izay, satria nosakanan’ny manam-pahefana. Niampanga ny Ranabavy Barmakina ho mpanao heloka bevava ny mpanao famotorana iray any an-toerana, tamin’ny 6 Aogositra 2019, satria hoe nivavaka sy namaky Baiboly ary nijery toriteny izy. Nangataka tamin’ny fitsarana ny mpisolovavany mba hanajanona an’ilay famotorana, satria zavatra fanaon’ny mpivavaka rehetra ihany no nataon’ilay anabavy. Nomen’ilay mpitsara rariny anefa ny fampanoavana, ka nanaiky hoe zavatra “mampidi-doza” raran’ny lalàna rosianina tokoa no nataon’ny Ranabavy Barmakina.

Niady saina be ny Ranabavy Barmakina noho ny fiampangana azy sy ny famotorana natao taminy. Tsy afaka niaraka tamin’ny vadiny nandritra ny 447 andro izy, rehefa notazonina am-ponja vonjimaika ny vadiny. Sahirana koa ny Ranabavy Barmakina mitady asa, satria tsy maintsy tonga dia mandeha izy rehefa antsoina eny amin’ny fitsarana na atao famotorana.

Mianatra an’izay lazain’ny Baiboly isika, ka tsy gaga mahita hoe ‘manosika mafy’ ny rahalahy sy anabavintsika ny manam-pahefana rosianina, izany hoe miezaka mafy mba hahatonga azy ireo hivadika amin’i Jehovah. Faly anefa isika satria mahafantatra hoe ho ‘fialofana sy hery’ ho an’ireny mpiara-manompo ireny foana i Jehovah.—Salamo 118:13, 14.

a Mbola mety hiova