Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Ranabavy Nataliya Sorokina sy Mariya Troshina

17 FEBROARY 2021
ROSIA

Mety Homelohina ny Anabavy Roa any Rosia Rehefa avy Notanana Am-ponja sy Nambenana tao An-tranony Efa ho Herintaona

Mety Homelohina ny Anabavy Roa any Rosia Rehefa avy Notanana Am-ponja sy Nambenana tao An-tranony Efa ho Herintaona

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Ambony

Nolavin’ny Fitsarana any Smolensk ny fangatahana hampakatra fitsarana ambony nataon’ny Ranabavy Nataliya Sorokina sy Mariya Troshina, tamin’ny 15 Septambra 2021. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy ireo tamin’ny voalohany. Tsy mbola nampidirina am-ponja aloha izy ireo izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sychyovskiy any amin’ny Faritanin’i Smolensk ny Ranabavy Nataliya Sorokina sy Mariya Troshina, tamin’ny 22 Aprily 2021. Nomena sazy mihantona enin-taona izy ireo.

Ireo voampanga

Nataliya Sorokina

  • Teraka: 1975 (tany Dresde, any Alemaina)

  • Mombamomba azy: Avy any Alemaina fa nifindra tany Saint-Pétersbourg, dia avy eo tany Sychyovka any amin’ny Faritanin’i Smolensk. Mpitsabo mpanampy. Tia manao asa tanana sy mianatra teny vahiny samihafa, satria te hitory amin’ny olona betsaka kokoa. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tiany ny zavatra nianarany momba ny famoronana sy ny fampanantenana tsara be momba ny hoavy. Nanampy azy ho tapa-kevitra hanao izay tsara indrindra vitany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Natao batisa tamin’ny Aogositra 1994

Mariya Troshina

  • Teraka: 1977 (tany Saint-Pétersbourg)

  • Mombamomba azy: Efa hatramin’ny mbola kely no tia nianatra tantara. Mpitondra mpizaha tany no asany taloha. Tia mianatra teny vahiny satria te hitory amin’ny olona betsaka kokoa

    Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga hoe mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly sady marina daholo ny zavatra tantaraina ao. Nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny Jolay 1991. Efa nianatra Baiboly sy vita batisa koa ny mamany, fa efa maty amin’izao

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano efatra an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Sychyovka ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy ny polisy, tamin’ny 7 Oktobra 2018. Nalain’ny FSB ny fananana manokan’ny rahalahy sy anabavy 17, anisan’izany ny an’ny ankizy tsy ampy taona. Nosamborin’izy ireo ny Ranabavy Nataliya Sorokina sy Mariya Troshina, ary notazonina vonjimaika.

Nanazava i Mariya hoe ny namaky ny tantaran’ireny Vavolombelona efa nosamborina noho ny finoany ireny no tena nanampy azy ho vonona, rehefa natao savahao ny tranony. Hoy izy: “Tony tsara aho tamin’ny fotoana nisamborana ahy sy nisavana ny tranonay. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho tony be hoatr’izany aho. Fantatro anefa hoe ny fanahy masin’Andriamanitra no tena nanampy ahy.”

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Sychyovskiy any Smolensk, roa andro taorian’ilay bemidina nataon’ny FSB sy ny polisy, hoe hotanana am-ponja vonjimaika ireo anabavy ireo. Nijanona tany 191 andro izy ireo. Nambenana tao an-tranony nandritra ny enim-bolana mahery indray izy ireo, taorian’izay.

Samy nilaza ireo anabavy ireo hoe niezaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah ry zareo talohan’ilay fitsapana, dia izay no nanampy an-dry zareo hiatrika an’ilay izy. Nilaza i Nataliya fa tena zava-dehibe ny manana ny fomba fijerin’i Jehovah. Niteny izy hoe rehefa enjehina isika, dia tsara foana ny mitadidy hoe iza no tena mahatonga antsika henjehina. Hoy izy: “I Satana foana no ao ambadik’ireny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra ireny, hatramin’izay. Fa isika tsirairay anefa samy afaka manaporofo hoe tsy mivadika amin’i Jehovah.”

Hoy koa i Mariya: “Ny zavatra ataontsika isan’andro no hanampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah. Tena zava-dehibe àry ny handinihantsika hoe ahoana sy ahoana avy ny fomba ikarakaran’i Jehovah antsika isan’andro. Mila miezaka matoky azy isika amin’ny zava-drehetra ataontsika. Tokony ho tia mamaky Baiboly isan’andro koa isika, dia mitadidy an’izay andinin-teny tiantsika sy izay zava-mitranga resahina ao.”

Nanam-pinoana sy nahavita niaritra ireo anabavintsika ireo, dia tena modely tsara ho antsika. Matoky an’i Jehovah foana koa izy ireo satria i Jehovah no “mpanampy sy ampingan’izy ireo.”​—Salamo 115:11.