Hijery ny anatiny

Rahalahy Ruslan Alyev sy Kristina vadiny, eo anoloan’ny fitsarana, tamin’ny 16 Septambra 2020

16 DESAMBRA 2020
ROSIA

Mety Homelohina ny Rahalahy Ruslan Alyev Rehefa avy Nambenana tao An-tranony Herintaona sy Tapany

Mety Homelohina ny Rahalahy Ruslan Alyev Rehefa avy Nambenana tao An-tranony Herintaona sy Tapany

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 17 Desambra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don no hamoaka didy momba ny Rahalahy Ruslan Alyev. Nangataka ny mpampanoa lalàna hoe homena sazy mihantona telo taona izy.

Ilay voampanga

Ruslan Alyev

  • Teraka: 1987 (Chunoyar, any Krasnoïarsk)

  • Mombamomba azy: Nifindrafindra matetika ny fianakaviany. Efa nipetraka tany Azerbaïdjan sy tany Ukraine ry zareo. Mpanao trano, mpivarotra, mpampianatra gitara, ary mpampianatra teny anglisy sy sinoa no asany taloha. Tia manao spaoro sady tia manoratra poezia sy mamoron-kira. Mahay fiteny efatra izy. Mahay miteny sinoa koa i Kristina, vadiny

    Nanomboka namaky sy nianatra Baiboly, tamin’izy 13 taona. Rehefa nianatra Baiboly izy, dia vao mainka resy lahatra hoe ao amin’ny Baiboly daholo ny valin’ny fanontaniany rehetra momba ny fiainana. Nanokan-tena ho an’i Jehovah àry izy dia natao batisa tamin’ny 2006

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Ruslan Alyev, tamin’ny 6 Jona 2019, ary avy eo notanana am-ponja vonjimaika, tamin’ny 10 Jona 2019. Rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny iray andro izy sy ny rahalahy iray atao hoe Semyon Baybak, dia samy nambenana tany an-tranony. Nambenana tao an-tranony nandritra ny roa volana aloha ny Rahalahy Ruslan tamin’ny voalohany, fa avy eo nohalavaina intsivy izany. Raha natambatra ny fotoana niambenana azy tao an-tranony, dia nahatratra herintaona sy tapany. Tsy nahazo nifanerasera tamin’ny olona mihitsy i Ruslan, nandritra an’izany, afa-tsy tamin’ny mpisolovavany, ny mpanao famotorana, ny inspektera, ary ny vadiny. Tsy nahazo nampiasa Internet koa izy, sady tsy nahazo nandefa na nandefasana taratasy sy email na SMS.

Nilaza ny Rahalahy Ruslan fa efa nifampiresaka foana izy mivady, talohan’ny nitazonana azy, hoe tsy maintsy henjehina ry zareo, na ho ela na ho haingana. Hoy izy: “Niezaka nianatra Baiboly foana izahay, sady nanatrika fivoriana tsy tapaka, ary nivavaka matetika. Efa fantatray hoe inona no mety hahazo anay raha henjehina izahay. Efa namaky tantaran’olona enjehina tao amin’ny Diary sy tao amin’ireny tantaram-piainan’ny mpiara-manompo ireny mantsy izahay. Hitanay hoe mbola mahita zavatra mampihomehy ihany ry zareo sady tsy kivy mihitsy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Nangataka hery tamin’i Jehovah izahay mba hahavitanay miatrika an’izay fitsapana mety hitranga.”

Tena nahasoa an’ny Rahalahy Ruslan koa ny niresaka momba ny fanenjehana tamin’ny olon-kafa. Hoy izy: “Nikaroka hevitra mampahery tao amin’ny Baiboly sy lahatsoratra hafa aho mba hampaherezana ny mpitory ao amin’ny fiangonanay sy hanampiana an-dry zareo tsy hanahy be. Notadidiko ireny lahatsoratra sy andinin-teny nokarohiko ireny, dia ireny ihany no nampahery ahy rehefa nitady ho kivy aho.”

Nanampy an’i Ruslan sy Kristina ilay niomana mialoha mba ho vonona hiatrika fanenjehana. Rehefa nosavana, ohatra, ny tranon-dry zareo, dia mitantara i Ruslan hoe tony tsara izy fa tsy natahotahotra. Nandrahona koa ilay mpanao famotorana, nandritra ny famotorana, hoe hampangaina ho mpanao heloka bevava i Kristina. Hoy i Ruslan: “Tsy nampahatahotra an’i Kristina mihitsy ilay hoe mety hampangaina ho mpanao heloka bevava koa izy. Tena nampahery be ahy izany sady nanampy ahy hatanja-tsaina.”

Lasa sarotsarotra ihany ny fiainan’izy mivady rehefa nambenana tao an-tranony i Ruslan. Hoy anefa i Ruslan: “Nomen’i Jehovah anay foana izay nilainay sy izay nanampy anay hifandray tsara aminy. Nampiany ho tony foana koa izahay. Efa fantatro hoe hanao an’izany ho anay i Jehovah. Efa hatramin’ny ela izahay no zatra niantehitra taminy sy nanatsotra fiainana. Dia izany no nanampy anay tsy hanahy be loatra.”

Imbetsaka ny Rahalahy Ruslan no niakatra fitsarana rehefa nohalavaina ny fotoana niambenana azy tao an-tranony. Nisy mpiara-manompo tonga nanotrona azy, indray mandeha, tamin’ny fotoana nitsarana azy. Tsy navela niditra anefa ireo rahalahy sy anabavy ireo fa niandry teo ivelany. Rehefa nivoaka an’ilay efitra fitsarana ny Rahalahy Ruslan, dia nitehaka ry zareo sady niantsoantso hoe: “Manohana anao izahay, Ruslan a!”

Tena mampahery antsika ny modely tsara omen’ireny rahalahy sy anabavy any Rosia ireny. Na dia enjehina tsy amin’antony aza izy ireo, dia mbola mitoky tanteraka amin’i Jehovah foana.​—Salamo 118:6-9.

a Mbola mety hiova.