17 MARTSA 2021
ROSIA
Mety Homelohina ny Ranabavy Tatyana Zagulina any Birobidzhan
VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana
Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 16 Septambra 2021, ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Zagulina. Mbola manan-kery àry ilay sazy efa nomena azy. Mbola tsy migadra aloha izy izao.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Ranabavy Tatyana Zagulina, tamin’ny 31 Martsa 2021. Nomena sazy mihantona roa taona sy tapany izy.
Ilay voampanga
Tatyana Zagulina
Teraka: 1984 (Tanànan’i Selektsionnaya, Faritanin’i Trans-Baikal)
Mombamomba azy: Nianatra momba ny lamaody. Mpanao manucure sy mpanjaitra no asany. Akanjo mariazy no tena amboariny. Tia milalao voley sy pingipongy, mandihy, ary manao krôse
Efa hatramin’izay no nankafy zavaboary sy nino hoe nisy namorona izao rehetra izao. Izay no nandrisika azy hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa tamin’ny 2010. Nanambady an’i Dmitriy tamin’ny 2012
Mombamomba an’ilay raharaha
Nisy polisy 150 nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah miisa 22, tamin’ny 17 Mey 2018. Nantsoin’ny manam-pahefana hoe “Andro Fitsarana” io bemidina io. Nampangain’ny biraon’ny mpanao famotorana ho mpanao heloka bevava ny rahalahy sy anabavy 22 tany amin’io faritra io, nanomboka tamin’izay. Tamin’ny 6 Febroary 2020, dia nampangain’ny manam-pahefana hoe manao zavatra “mampidi-doza” koa ny anabavy enina, anisan’izany i Tatyana.
Nanomboka tamin’ny 17 Septambra 2020 ny fitsarana an’i Tatyana. Mandra-piandry ny didim-pitsarana anefa, dia tsy navelan’ny manam-pahefana hivoaka ny faritra misy azy izy ary tsy nahazo naka ny volany tany amin’ny banky.
Nilaza i Tatyana hoe ny vavaka sy ny fahazarany nanao zavatra ara-panahy no nanampy azy hiaritra sy hanohy hitory ary hiaro ny finoany foana. Hoy izy: “Natahotra be aho rehefa nandondòna mafy be tao am-baravaranay ny [polisy]. Tonga dia nivavaka haingana anefa aho, dia nanomboka nihatony avy eo.”
Rehefa nosavana, ohatra, ny tranony, dia niteny tamin’ny iray tamin’ireo polisy tao izy hoe nihanatanjaka ny finoany tamin’io andro io. Rehefa nanontanian’ilay polisy ny antony, dia namaly izy hoe tsapany fa tanteraka taminy ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15:20. Izao no voalaza ao: “Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” Hoy koa i Tatyana: “Namaly ahy ny iray tamin’ireo polisy hoe: ‘Raha izany fomba firesakao izany, dia hoatran’ny hoe izaho izany anisan’ireo olona namono an’i Jesosy.’ Tsy hoe nihanatanjaka fotsiny ny finoako tamin’izay fotoana izay, fa lasa nahatsapa fiadanana sy fifaliana koa aho tao am-poko tao. Tsapako hoe teo akaikiko teo i Jehovah!” Natahotra kely ihany i Tatyana rehefa nanomboka ny fitsarana azy. Rehefa avy nangataka herim-po tamin’i Jehovah anefa izy, dia nilaza hoe: “Tsy matahotra intsony aho izao rehefa miteny.”
Misaotra an’i Jehovah isika noho izy manohana sy mitahy an’izay ataon’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia noho ny finoany, sy ny asa mafy ataon’izy ireo amim-pitiavana, ary ny fiaretany.—1 Tesalonianina 1:2, 3.