Hijery ny anatiny

Ny Fitsaram-paritr’i Oriol

14 MEY 2019
ROSIA

Mety ho Vita ato ho ato ny Fihainoan’ny Fitsarana Ambony An’i Christensen

Mety ho Vita ato ho ato ny Fihainoan’ny Fitsarana Ambony An’i Christensen

Nanomboka tamin’ny talata 7 Mey 2019 ny fihainoana an’i Dennis Christensen, tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Oriol. Nomelohina higadra enin-taona mantsy izy, noho ny zavatra inoany, ary nampakatra fitsarana ambony kokoa. Hatreto aloha io fitsarana io dia nanao hoatran’ny fitsarana hafa any Rosia. Isaky ny namoaka porofo tena mandresy lahatra ny mpisolovava, hoe tsy manan-tsiny i Dennis, dia tsy nety nandinika tsara an’ireny porofo ireny ny fitsarana. Mety hivoaka amin’ity herinandro ity ny didim-pitsarana avy amin’ireo mpitsara telo ao amin’io fitsarana io.

Be dia be ny rahalahy sy anabavy nankeny amin’ny fitsarana mba hanotrona an’i Dennis, tamin’ilay andro voalohany. Tonga tao koa ny diplaomaty avy amin’ny firenena samihafa, ny mpanao gazety, ary ny mpiaro ny zon’olombelona. Tao amin’ny efitra kely nahazaka olona 20 ka hatramin’ny 25 no nanaovana an’ilay fitsarana, ka olona 50 mahery no tsy tafiditra. Neken’ilay fitsarana anefa ny fangatahan’ny mpisolovavan’i Dennis, ka natao tao amin’ny efitra lehibe kokoa nahazaka olona efa ho 80 ilay izy. Afaka adiny telo fotsiny dia nisintona ny fitsarana.

Tamin’ny andro faharoa, dia nangatahin’ny mpisolovavan’i Dennis ny fitsarana mba hamerina hijery an’ireo porofo be dia be hoe tsy manan-tsiny izy. Tsy nanaiky anefa ireo mpitsara. Mampalahelo izany satria tena resy lahatra ireo mpisolovava ireo hoe ireny porofo ireny no hampiseho hoe tena tsy rariny ny nanamelohana an’i Dennis. Rehefa nifarana iny andro iny, dia nilaza ilay fitsarana hoe hitohy amin’ny alakamisy 16 Mey ny fihainoana, ary amin’izay ny mpisolovava no hilaza ny teniny farany.

Mbola mivavaka ho an’ny rahalahintsika any Rosia foana isika mba hilamin-tsaina izy ireo sady hatoky tanteraka an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hovonjeny amin’izay manamavo azy izy ireo.—Salamo 12:5.