25 FEBROARY 2021
ROSIA
Mety ho Voaheloka ny Anabavy Nataliya Kriger Noho Ilay hoe “Andro Fitsarana”
VAOVAO FARANY | Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Anabavy Nataliya Kriger
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny anabavy Nataliya Kriger, tamin’ny 30 Jolay 2021.
Nomen’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy tapany izy. Tsy voatery mankany am-ponja izy mandritra an’izay fotoana izay.
Ilay voampanga
Nataliya Kriger
Teraka: 1978 (Khabarovsk)
Mombamomba azy: Mbola kely i Nataliya dia efa maty ny mamany, ary nipetraka tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty izy. Nifindra tany amin’ny 400 kilaometatra any Amurzet, any Rosia izy tamin’izy enin-taona. Vavolomben’i Jehovah ny bebeny sy ny nenitoany ary ny zanaky ny nenitoany. Niara-nipetraka tamin-dry zareo izy. Mpanao asa sosialy mifandray amin’ny fikarakarana olona be taona i Nataliya
Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tamin’ny 1999. Nanambady an’i Valeriy, tamin’ny 2017. Tia mandihy sy mandeha lakan-jejo ary mandehandeha izy ireo
Mombamomba an’ilay raharaha
Nitady ny tranon-dry Krigers ny manam-pahefana rosianina, tamin’ny Mey 2018. Zavatra efa maty paika noeritreretin’ny manam-pahefana hatao ilay izy ary nantsoin’izy ireo hoe “Andro Fitsarana.” Nampangain’ny mpampanoa lalàna teo an-toerana hoe mpanao heloka bevava i Valeriy taorian’izay. I Nataliya indray tamin’ny 6 Febroary 2020 nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava. Enina mirahavavy ry zareo no niara-voaheloka tamin’io andro io.
Ankoatra an’ilay hoe nomelohin’ny mpampanoa lalàna, dia nidonam-pahoriana koa i Nataliya satria maty ny bebeny, tamin’ny Febroary 2020. Izy anefa no nikarakara azy io nandritra ny enin-taona.
Vitan’i Nataliya ny niatrika an’izany fitsapana izany satria nifandray akaiky tamin’i Jehovah izy. Hozy hoe: “Nivavaka ho an’ny hafa aho dia mba lasa tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo ahy. Vao mainka aho lasa akaiky be an’i Jehovah rehefa niatrika an’ireny fisedrana ireny, sady vao mainka lasa tena misy izy amiko. Tsapako hoe tena manohana ahy izy sady mamaly ny vavaka ataoko.”
Matetika i Nataliya no mieritreritra hoe tsy maintsy mbola hanohana azy foana i Jehovah satria be dia be ny antony mahatonga azy hatoky an’izany. Nilaza izy hoe: “Mampahery be ahy ilay Salamo 94:19 hoe: ‘Nampionona sy nampitony ahy ianao.’ Betsaka ny mpanompon’i Jehovah taloha sy amin’izao tena be herim-po, dia tsy nivadika na dia niharam-pitsapana aza. Lasa vao mainka aho mahazo hery rehefa misaintsaina ny modelin-dry zareo.”