Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Konstantin Bazhenov, Snezhana vadiny, ary Ranabavy Vera Zolotova

21 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Mety ho Voaheloka ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy ny Vadiny ary ny Anabavy Iray 73 Taona any Rosia

Mety ho Voaheloka ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy ny Vadiny ary ny Anabavy Iray 73 Taona any Rosia

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 25 Septambra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Yelizovsky any Kamchatka no hamoaka didy momba ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy Snezhana vadiny ary ny Ranabavy Vera Zolotova. Nangataka ny fampanoavana mba hampandoavina lamandy mitentina 600 000 roubles (7 850 dolara amerikanina) ny Rahalahy sy Ranabavy Bazhenov, ary 400 000 roubles (5 235 dolara amerikanina) ny Ranabavy Zolotova.

Ireo voampanga

Konstantin Bazhenov

  • Teraka: 1977 (tany Petropavlovsk-Kamchatski any amin’ny Faritr’i Kamchatka)

  • Mombamomba azy: Efatra mianadahy ry zareo, ary izy no lahimatoa. Mpanamboatra aotomobilina simba no asany taloha ary efa nampianatra tamin’ny sekoly teknika izy. Tia manjono

  • Nanambady an’i Snezhana tamin’ny 2001. Mpampianatra koa i Snezhana taloha. Manana zanakavavy atao hoe Elizabeth izy ireo. Manompo an’i Jehovah ny fianakavian’izy ireo

Snezhana Bazhenova

  • Teraka: 1977 (tany amin’ny Nosin’i Chikotan, ány amin’ny Faritr’i Sakhaline)

  • Mombamomba azy: Ny reniny irery no nitaiza azy. Tia ankizy ary tena nahafinaritra azy ny asany tamin’izy nampianatra ankizikely. Tsy afaka mampianatra ankizy anefa izao noho ilay fiampangana azy

  • Ny bebeny no nampianatra azy momba an’Andriamanitra sy nampianatra azy hivavaka. Nanampy azy ho tia an’Andriamanitra sy ny Baiboly izany

Vera Zolotova

  • Teraka: 1946 (tany Yelizovo, any amin’ny Faritr’i Kamchatka)

  • Mombamomba azy: Be dia be izy ireo no tao an-trano tamin’izy mbola kely. Nanambady an’i Yuri Zolotov tamin’ny 1966. Roa ny zanak’izy ireo. Mpanao kaonty efa misotro ronono. Tia mandehandeha sy manao ski

  • Niezaka hahafantatra momba an’Andriamanitra nandritra ny taona maro, ka fivavahana maro no efa nodinihiny. Tena faly rehefa nahafantatra ihany tamin’ny farany hoe manao ny rariny sy tia olona Andriamanitra. Tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny vadiny. Nahavariana azy anefa ny nahita fa nisy vokany tsara teo amin’i Vera ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly

Mombamomba an’ilay raharaha

Nataon’ny polisy savahao ny trano telo ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tanànan’i Yelizovo, tamin’ny 19 Aogositra 2018. Rahalahy sy anabavy 11 no nosamborina tamin’izay. Natao famotorana nandritra ny ora maro izy ireo, ary avy eo nafahana ny valo tamin’izy ireo. Nampangain’ny manam-pahefana hoe nanao heloka bevava kosa ny Rahalahy Bazhenov sy ny vadiny ary ny Ranabavy Zolotova, ka notazonina vonjimaika. Nafahana ireo anabavy roa rehefa afaka roa andro. Nandidy kosa ny mpitsara iray hoe mbola tazonina ny Rahalahy Bazhenov. Nafahana izy valo andro tatỳ aoriana.

Eo am-piandrasana ny didim-pitsarana, dia mivavaka isika mba hatoky tanteraka an’i Jehovah foana ny Rahalahy Bazhenov sy ny vadiny ary ny Ranabavy Zolotova. Manome toky antsika ny Baiboly fa hampian’i Jehovah ho faly sy hilamin-tsaina ny mpanompony tsy mivadika, ka ‘hitombo be ny fanantenany noho ny herin’ny fanahy masina!’—Romanina 15:13.

a Mbola mety hiova