Hijery ny anatiny

Ranabavy Anna Lokhvitskaya eo ivelan’ny fitsarana, tamin’ny Oktobra 2020

25 FEBROARY 2021
ROSIA

Mety ho Voaheloka ny Ranabavy Anna Lokhvitskaya, ary Ampangaina koa ny Vadiny sy ny Rafozambaviny

Mety ho Voaheloka ny Ranabavy Anna Lokhvitskaya, ary Ampangaina koa ny Vadiny sy ny Rafozambaviny

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Anna Lokhvitskaya, tamin’ny 16 Desambra 2021. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy i Anna, tamin’ny 20 Jolay 2021, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany.

Ilay voampanga

Anna Lokhvitskaya

  • Teraka: 1993 (Birobidzhan)

  • Mombamomba azy: Ny mamany no nitaiza azy sy nampianatra azy hankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2012. Lasa mpanjaitra matihanina. Nanambady an’i Artur tamin’ny 2018. Tia manjono sy manao dia lavitra ary milalao voley ry zareo

Mombamomba an’ilay raharaha

Anisan’ireo anabavy enina nampangain’ny manam-pahefana rosianina any Birobidzhan hoe manao asa “mampidi-doza” i Anna, tamin’ny 6 Febroary 2020. Misy 19 izao ny raharaha iampangana ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io faritra io, ka anisan’ny voampanga koa i Artur vadin’i Anna, sy Irina rafozambaviny.

Niteraka olana be dia be ho an’io mpivady tanora io ilay fiampangana. Tsy afaka manao dia lavitra ry zareo na maka ny volany any amin’ny banky. Noferan’ny manam-pahefana koa ny fampiasan’izy ireo ny zavatra alamin’ny fanjakana ho an’ny vahoaka. Lasa kivy be izy noho izany rehetra izany ka mila fitsaboana tsindraindray.

Nilaza zavatra maromaro nanampy azy izy. Niteny izy hoe: “Lasa mahatsapa ho maivamaivana aho rehefa mihaino hira amin’ny Tele JW. Tsy hoe mampitony fotsiny ilay izy fa manitsy ny fomba fahitako ny toe-javatra sasany koa. Anisan’ny tena manampy ahy hifantoka amin’ny zavatra mampahery koa ny miezaka mampiasa vatana.”

Ankoatra izay, dia nanazava i Anna hoe miezaka mihevitra an’izay ilain’ny hafa alohan’ny an-dry zareo izy sy Artur. Hoy izy: “Nametraka tanjona izahay hoe mba hanome fanomezana ho an’olona isam-bolana, na dia hoe fanomezana kely fotsiny aza. Miezaka mieritreritra momba ny hafa izahay fa tsy hoe momba ny olana mahazo anay foana.”

Mbola miandry ny valin’ny fitsarana azy i Anna. Hitany anefa hoe azony hararaotina tsara ny toe-javatra misy azy mba hampisehoana hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy.​—Salamo 18:25.