Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Bondarchuk sy Elena, vadiny (ankavia) ary Rahalahy Sergey Yavushkin sy Tatiana, vadiny (ankavanana)

2 APRILY 2021
ROSIA

Mety ho Voasazy ny Rahalahy Aleksandr Bondarchuk sy Sergey Yavushkin Rehefa avy Nambenana tao An-trano Ela Be

Mety ho Voasazy ny Rahalahy Aleksandr Bondarchuk sy Sergey Yavushkin Rehefa avy Nambenana tao An-trano Ela Be

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Kemerovo ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Aleksandr Bondarchuk sy Sergey Yavushkin, tamin’ny 16 Febroary 2022. Mbola tsy migadra aloha ry zareo amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zavodskiy any Kemerovo i Aleksandr sy Sergey, tamin’ny 22 Jona 2021, ary nahazo sazy mihantona efa-taona.

Ireo voampanga

Aleksandr Bondarchuk

  • Teraka: 1974 (Topki, Faritanin’i Kemerovo)

  • Mombamomba azy: Sivy ambin’ny folo taona tamin’ny dadany maty. Nianatra namily fiara vaventy fanaovana fanorenana. Nianatra nandrafitra tatỳ aoriana. Mpanamboatra lafaoro fandrendrehana metaly amin’izao. Tia manjono, mikorisa amin’ny ranomandry, mandeha bisikileta, ary mihazakazaka

  • Nanambady an’i Elena, tamin’ny 1992. Izy no voalohany nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny fianakaviany. Nanavotra ny tokantranon’izy ireo ny fampiharana ny torolalan’ny Baiboly. Manan-janaka roa lahy ry zareo

Sergey Yavushkin

  • Teraka: 1960 (Rubtsovsk, Faritanin’i Altaï)

  • Mombamomba azy: Elektrisianina sady mpanao sodira amin’ny gazy nandritra ny taona maro. Mpanamboatra lakile no asany amin’izao. Tia mitendry gitara sy manao fanatanjahan-tena isan-karazany, hatramin’ny mbola kely

  • Nanambady an’i Tatiana, tamin’ny 1990. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy roa, taoriana kelin’izay. Tena nahavariana an-dry zareo hoe na dia boky efa tranainy aza ny Baiboly, dia mbola ilaina amin’izao ihany. Manan-janaka mianadahy ry zareo

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina fanindroany tao an-tranon’ny Rahalahy Aleksandr Bondarchuk sy Sergey Yavushkin ny polisy, ny 22 Jolay 2019 tamin’ny enina maraina. Nosamborina ireo rahalahy tamin’ity indray mitoraka ity, ary natao famotorana ny vadin-dry zareo. Nalain’ny polisy koa ny fitaovana elektronika an-dry zareo.

Notanana nandritra ny roa andro i Aleksandr sy Sergey. Taorian’izay, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Kemerovo hoe ambenana ao an-trano mandritra ny roa volana ry zareo, ary nohalavaina inenina io fotoana io.

Rehefa nambenana tao an-trano ry zareo, dia samy voafetra ho 300 metatra manodidina ihany no azony naleha. Tsy afaka nandeha niasa àry ry zareo. Tsara laza teo amin’ny fiaraha-monina sy tamin’ny mpampiasa azy avy anefa ireo rahalahintsika roa ireo, talohan’ny niampangana azy ho mpanao heloka bevava. Niantso ny mpanao famotorana miandraikitra an’ilay raharaha àry ny mpampiasa an’ireo rahalahy, dia nangataka hoe mba tsy hampiharina amin’ny asan-dry zareo ilay fameperana momba ny toerana azony aleha. Nolavina anefa ny fangatahan’izy ireo.

Imbetsaka i Aleksandr sy ny fianakaviany no nahita hoe nanampy an-dry zareo i Jehovah. Lasa sahirana ara-bola ry zareo rehefa tsy afaka niasa intsony i Aleksandr. Tsy navela haka vola tany amin’ny banky intsony koa ry zareo. Hoy anefa i Aleksandr: “Lasa nianatra niantehitra bebe kokoa tamin’i Jehovah aho, vokatr’iny fitsapana iny. Hoatran’ny tsy tsikaritro matetika taloha hoe nanampy ahy ny tanan’i Jehovah, fa amin’izao vao hitako hoe manampy ahy foana izy, isan’andro, isan’ora. Tia sy manohana anay mianakavy foana izy.”

Lasa niady saina sy nanahy be i Sergey noho ilay raharaha. Tapaka lalan-dra izy, vokatr’izany. Mbola falifaly foana anefa izy, na dia eo aza izany aretiny izany. Hoy izy: “Tokony hoheverintsika hoe kely fotsiny ny olana mandalo atrehintsika amin’izao, na dia tsy mora amintsika aza indraindray ny miaritra an’izay rehetra mahazo antsika.”

Mampahery an’i Sergey ny 1 Korintianina 15:58. Resahina ao hoe “tsy very maina ny asa mafy [ataontsika] ho an’ny Tompo.” Hoy i Sergey: “Mahatadidy ny zavatra rehetra Jehovah, dia hotadidiny foana ny asa tsara rehetra nataontsika.”

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia izay miaritra fanenjehana efa an-taonany maro isika. Enga anie hampionona sy hampahery an-dry zareo foana ity voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ity: “Fa ny olona matahotra azy no mahafinaritra an’i Jehovah, dia ireo miandry hoe hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.”​—Salamo 147:11.